Nampandeferina ny fahasamihafana fa nampitoviana ny fomba fijery manoloana ny raharaham-pirenena.
Taorian’ny fivoriana omaly dia niray feo ireo hery mpanohitra fa hanao hetsika itambarana amin’ny alahady 13 mey izao. Tsy havela handalo fotsiny ny faha-40 taonan’ny 13 mey 1972 izay daty manatantara eto amin’ny firenena fa marihina amin’ny fomba manetriketrika, hoy ny pasitera Edouard Tsarahame, iray amin’ny vy nahitana ny fiaraha-mientan’ny mpanohitra ankehitriny raha namintina ny tatitry ny fihaonana. Ankoatra ny ankolafy Ratsiraka, izay tsy nandefa solontena satria tsy eto an-toerana ny solontenany mahatapaka ahitra, dia niara-nandray io fanapahan-kevitra io ny ankolafy Zafy, Ravalomanana, ny Monina, ny Diniky ny samy Malagasy, ny Mazavaloha, ny Federalista, ny Raimandreny to teny ara-drazana, ny Sendikan’ny mpiasam-panjakana sy ny fiombonamben’ireo sendikan’ny mpiasam-panjakana sy mpiasam-panjakana ambony.
Nambaran’ny pasitera Edouard koa fa noho ny fifandaminana sy fanajana ny maha izy azy ny antoko sy fikambanana samihafa ao anatin’ny Vondron’ny mpanohitra dia samy hanambara izay fomba hananterahany io hetsika io sy ny toerana hanatontosana azy ny tsirairay avy. Ny azo antoka kosa anefa dia ny alahady tolakandro no hanaovana ilay hetsika itambarana. Mbola hisy anefa rahampitso zoma ny fihaonana farany hanamasahana tsara ny fifandaminana. Tsy mihevitra ny hangataka alalana anefa ry zareo satria daty manan-tantara io 13 mey io fa tsy noforonina akory, hoy hatrany pastera Edouard. Mampanantena rahateo koa ry zareo fa ampilaminana no anatanterahana izany satria ny filaminana no fandriampahalemana manoloana ny fandrarana na fandravana mety hataon’ny mpitandro ny filaminana.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.