21 taona katroka amin’ity 10 aogositra 2012 ity ny vonomoka natao ny vahoaka Malagasy nilahatra nakeny Iavoloha nitaky ny fialan’ny filoha Didier Ratsiraka.
Tsy misy hatreo ny olona voaheloka momba iny raharaha iny. Ry zareo Vondron’ny Mpanohitra kosa dia manararaotra ity tsingerintaona ity ka miangavy mba tsy hisy intsony ny fandatsahan-dran’ny Malagasy noho ny tsy fitovian-kevitra. Momba ny zava-misy iainana ankehitriny indray dia milaza izy ireo fa tokony ho ny tombontsoan’ny vahoaka no katsahan’ny filoha Marc Ravalomanana sy ny filoha Andry Rajoelina izay mihaona fanindroany any Seychelles. “Aleo handeha ny raharaham-pirenena satria fantatra fa tsy hifanaraka mihitsy ianareo. Tokony hiaiky Rajoelina fa mandetika ny firenena ka manaiky mifampiresaka. Torak’izany Ravalomanana izay tokony hahatsapa fa nisy tsy nety ny fitondrany matoa izy niongana”, hoy Ravololomanana Lalatiana.
Momba ny fifidianana indray dia nilaza ity farany fa tsy misy fifidianana vanona eto raha tsy mipetraka ny fitoniana ara-politika sy ara-tsosialy toy ny famoahana ireo gadra politika sy famelana mody malalaka ireo sesitany politika ary ny fanokafana ny Kianjan’ny demokrasia. Fa nanisy resaka ny fanadinana CEPE farany teo kosa ny tolon’ny vahoaka malagasy izay nilaza fa tsy misy dikany iny fanadinam-panjakana voalohany iny. “Fanapotehana ny zaza malagasy sy ny firenena ny fanaovana fanadinana kitoatoa tahaka ireny izay maneho ny didy jadon’ny fitondram-panjakana. Tokony hiaiky ny minisitry ny fanabeazana fa tsy izy iny”, hoy ny pastera Edoaurd Tsarahame. Nokianin’izy ireo manokana moa ny fanakaramana olon-kafa hisahana ny fiambenana tamin’ny ivotoerana sasany sy ny tsy fisian’ny fanadinana tamin’ny toerana maro ary ny fanatontosana CEPE kanefa efa dimy volana no tsy nisy fianarana tany amin’ny faritra.
Manova paikady moa ny vovonana Tolon’ny Vahoaka Malagasy amin’ny alalan’ny fanatontosana hetsika eny anivon’ny Boriborintany eto Antananarivo sy ny manodidina ary any amin’ny renivohi-paritra toa an’i Mahajanga amin’ny zoma izao, any Fianarantsoa sy Ambositra amin’ny zoma heriny raha amin’ny alarobia kosa ny any Toamasina. Miara-mientana amin’ireo hetsika ireo ny mpanao politika, ny sendikan’ny mpiasam-panjakana isan-tsokajiny ao anatin’ny vovonana izay manasa ny vahoaka ihany koa.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.