Nanatanteraka fivoriambe tetsy amin’ny Carlton ireo mpandraharaha mivondrona ao amin’ny GEM omaly, nidinika ny tontolo iainan’ny mpandraharaha amin’ny ankapobeny. Nandritra izany no nanaovan’izy ireo vaky bantsilana ny fanararaotam-pahefana sy fihoaram-pefy ary fihetsika mambotry ataon’ireo tompon’andraiki-panjakana sasany amin’ny mpandraharaha. Voatsikera tamin’izany ireo foibem-pitondrana momba ny hetra, ny Cnaps ary ny minisiteran’ny varotra. Na izany aza dia nanamafy ny fahavononany hatrany hiara-kiasa amin’ny fanjakana ny GEM.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.