Manameloka ny fampiasan-kery tamin’ny fisamborana an’i Laza Razafiarison sy ny fitazonana azy am-ponja ny vondron’ny kandida (Collectif des candidats).
Ity vondrona ity izay mitaky ny famotsorana azy tsy misy fepetra. Kianiny koa ny safidin’ny governemanta hanankina amin’ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ny fanovana ny CES satria vao mainka hampikatso ny fikaroham-bahaolana momba ny fifidianana mialoha ny 31 jolay izao araka ny takian’ny CENI-T sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena izany. Amin’ireo kandida miara-dia anatin’ity vondrona ity dia amin’ny alalan’ny didy hitsivolana no tokony hanaovana ilay fanovana ny CENI-T. Farany dia toheriny koa ny fikasan’ny mpanao politika sasany hetsika mitondra korontana amin’ity sabotsy 27 jolay ity satria amin’izy ireo dia ny fifidianana ihany no lalana ivoahana amin’ny krizy izay andrandrain’ny Malagasy rahateo. Na dia tsy nanonona anarana aza izy ireo dia ry Alain Andriamiseza, ry Rasambozafy Cyril, ireo CST amperinasa sy teo aloha mikambana ao anaty KPM no tiany horesahana.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.