Politique

Vondron’ny elanelam-panahy Miantso ny SADC handray ny fangatahan’ny Ankolafy Ratsiraka


  • Alatsinainy 19 Septambra 2011

Dingana iray hirosoana amin’ny fivoahana amin’ny krizy no vita, hoy ny Groupement des Forces Centristes, na Vondron’ny elanelam-panahy, raha nitondra fanazavan-kevitra taorian’ny fahavitan’ny sonia ny sori-dalana tao amin’ny Le Paon d’Or Antanetibe Ivato ny alin’ny zoma 16 septambra teo.

 Vondrona efatra, dia ny GREMA izay tarihin’i Saraha Georget Rabeharisoa, ny NACD (Nouvelle Alliance pour le Changement Démocratique) nosoloin’ny Pr Tehindrazanarivelo Alain tena, ny PSRI (Plateforme pour la Stabilité et la Reconnaissance Internationale) tarihin’i Gilbert Raharizatovo ary ny FMM (Force Médiane Mixte) tarihin’i Max Fabien Andrianirina. Nambaran’izy ireo fa sarotra ny ezaka nampifanatonana ireo vondrona roa mifanipaka hevitra, dia ny milaza fa miverina tsy misy fepetra Atoa Ravalomanana sy ireo izay mivoy fa tsy miverina eto Ravalomanana, vao tonga tamin’iny sonia iny.

Nambaran’izy ireo fa nandroso tolokevitra tamin’ny iraky ny Troika izy ireo ary noraisina izany, ka nahatongavana tamin’iny sonia iny. Dingana ihany anefa iny, hoy ity Vondron’ny elanelam-panahy ity, ka miantso ny SADC izy ireo handray ny hataka nataon’ny Ankolafy Ratsiraka, hisian’ny fihaonan’ny filohan’ny Ankolafy efatra, mba tsy hampikatso indray ny raharaha. Ny tanjona, hoy i Saraha Georget Rabeharisoa, mitarika ity vondrona ity, dia ny hamerenana ny hasin’ny safidim-bahoaka amin’ny fifidianana. Nanamafy koa i Gilbert Raharizatovo fa tsy afa-miala amin’izao tontolo izao isika amin’ny famahana ity krizy ity, ka ny vahaolana mitondra mankany amin’izay hahazoana fankatoavana iraisam-pirenena no lalana. Mandrapahatonga izay dia hanohy ny dinika hampifanatonana ireo samy hafa hevitra, indrindra ireo nifandrafy tato anatin’izao krizy izao izy ireo.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT