Politique

Vondron’ny antoko mpanohitra Tsy hitsikera fotsiny fa …


  • Sabotsy 26 Jolay 2014

Difotra tanteraka ao anatin’ny olana ny fiarahamonina Malagasy izay miseho amin’ny endrika sy lafiny maro isan-karazany, araka ny fahitan’ny GPPO na «Groupement des Partis Politiques d’Opposition» ankehitriny.

Tsy mazava sy tsy voazavan’ny mpitondra ihany koa ny fandaharanasa ankapoben’ny fanjakana ary tsikaritra ho mifanao sangodim-panina ny samy mpitondra ka samy mandeha sy samy mitady ireo tompon’andraikitra samihafa. Soso-kevitr’ireo vondron’ny antoko politika mpanohitra ho an’ny fitondram-panjakana vaovao ary ny fijerena akaiky ny zava-misy iainan’ny vahoaka Malagasy maro an’isa toy ny tsy fandriampahalemana, ny sosialim-bahoaka ary koa ny famahana ireo raharaha mafana mahakasika ny fiainam-bahoaka. Mahatsapa ny GPPO fa mety hitarika ahiahy sy fialan’ny fahatokisan’ny isam-batan’olona sy ny olom-pirenena ny tsy fandraisana andraikitry ny mpitondra fanjakana mahefa. Tetikady maty paika famahana olana sy fomba fiasa haingana ary azo tsapain-tanana no takian’ny vahoaka amin’ny fitondram-panjakana, hoy ity vondrona ity. Manana foto-kevitra mazava amin’ny fanoherana ny vondron’ny antoko politika mpanohitra ary manana vahaolana haroso amin’ny mpitondra ihany koa. Anisan’izany, ohatra, ny fangatahana amin’ny minisitry ny Atitany ny famoahana ny lisitry ny antoko mpanohitra ara-dalàna na ny fahazoan’ny antoko mpanohitra miteny ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana. Mila apetraka mazava ny fifandanjan-kery eo amin’ny mpitondra sy ny mpanohitra, hoy ihany ny GPPO.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT