Politique

Vondron’Antsahabe Manohana ny ezaka ataon’ny FFKM


  • Alakamisy 02 Mey 2013

Mitombo sy mivelatra hatrany ny sehatra manohana ny ezaka ataon’ny FFKM handaminana ny krizy sy ny tsy hiverimberenany intsony.

 Fantatra izao fa nifanome tanana sy nifanaraka fa hanohana ireo Raiamandreny am-panahy eo anivon'ny FFKM ny vondron'olon-tsotra sy mpanao politika maromaro. Resy lahatra izy ireo fa ny diniky ny samy Malagasy tarihan'ny FFKM no hany vahaolana hamaranana ny krizy eto Madagasikara. Mitarika ity vondrona ity ny profesora mirahalahy, Raymond Ranjeva sy Paul Rajaonarivelo, Louisette Raharimalala, Gilbert Raharizatovo, Rakotoamboa Jean Louis avy amin'ny antoko Teza sy Andriamihaja Ferdinand, filohan'ny Hetsika Vonjiaina. Tsy ny fifidianana tefy maika, araka ny voalaza tetsy Antsahabe, ny talata 30 aprily teo, no vahaolana amin'ny krizy mianjady amin'ny firenena, fa ny fanasitranana sy ny famahàna ifotony ny olana. Ahiana hoy izy ireo ny hiverenan'ny krizy raha tsy voavaha any ifotony ny olana. Zava-dehibe loatra ny fandraisan'andraikitra avy amin'ireo Raiamandreny FFKM araka ny novelabelarina nandritra ny fihaonana tetsy Antsahabe ihany. Hanomboka rahampitso, raha tokony ho anio, ny tohin’ny dinika fampihavanana tarihin’ny FFKM eny Ivato, sady handravonana ireo fehin-kevitra nivoitra tany amin’ireo rafitra FFKM miisa 35, nanaovana fanangonan-kevitra taorian’ny fihaonana voalohany natao ny 18 aprily lasa teo.

 

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT