Nitsidika ny Kaominin´i Mahavelona Foulpointe ny minisitry fanapariaham-pahefana, Ruffine Tsiranana ny faran’ny herinandro teo.
. Somary manana olana moa ity Kaominina ity satria dia voatendry ho mpikambana amin’ny Kongresy (CT) avy amin’ny lisitra TGV ny Ben’ny tanàna tao, Vohilahy Gaston Edouard. Tsy azo afangaro anefa ny asa maha Ben´ny tanàna sy ny maha mambra ny CT izay manao ny asan´ny solombavambahoaka, koa misafidy Atoa Vohilahy Gaston Edouard na hiditra ho CT na hijanona ho Ben´ny tanàna. Raha miditra CT ny tenany, dia ny lefitra voalohan’ny Ben´ny tanàna no misolo azy avy hatrany, araka ny lalàna. Nandritra ity fitsidihana tao Mahavelona Foulpointe ity no nampahatsiahivan´ny minisitra Ruffine Tsiranana fa “tapitra ny 15 desambra izao ny fe-potoam-piasan’ny Ben´ny tanàna sy ny mpanolotsain´ny Kaominina manerana ny nosy. Nambarany fa efa misy ny volavolan-dalàna omanina entina hametrahana PDS misolo tena ireo Ben´ny tanàna. “Tsy voatery hifantina PDS vaovao akory fa mety ireo Ben´ny tanàna am-perinasa ihany no hivadika rafitra mba ho ara-dalàna. Miankina ny fanapahana horaisin´ny CT sy ny CST anefa izany, fa izy ireo no mpanao lalàna ao anatin´ny tetezamita iarahana izao», hoy Rtoa minisitra.
Fa nandritra izao dia nataony tany amin’ny Faritra Atsinanana izao, dia nohararaotiny ny nijery ny fandehan´ny asa fanarenana ny Lapan´ny tanànan´i Toamasina. Raha jerena aty ivelany dia mandeha ny asa, nefa misy olana sedrain´ireo mpiasa. Nahita sy nihaino ny fitarainan´ny solontenan´ny mpiasa ny minisitra sy ny lehiben´ny Faritra Mahavimbina Alain. “Mahafa-po ny fandehan´ny asa”, hoy ny minisitra na izany fantatra fa tara ny fanarenana ity lapan´ny tanàna ity noho ny resaka ara-bola. Raha ny fampanantenana nataon´ny filohan´ny FAT sy ny minisitry ny fitsinjaram-pehefana teo aloha, dia tokony tamin´ity volana desambra ity no notokanana ity Lapan´ny tanàna ity nefa izao mbola misedra olana goavana izao.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.