3% monja amin`ny tetibolam-panjakana no natokan`ny fanjakana ho an`ireo rantsamangaikan`ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana.
Ho an`i Serge Zafimahova, mpandinika fiarahamonina, mila ampitomboina io ary ny lojika dia 40%. Tratra izany raha atao isaky ny antanantohatra, izany hoe ampitomboina isan-taona mandrapahatapitry ny fotoam-pitondran`ny filoham-pirenena. Antony, rehefa miresaka fitsinjaram-pahefana dia miresaka olombelona (ressources humaines) izay mifamatotra amin`ny tetibola. Olana tsy hisian`ny fampandrosoana mipaka mivantana any amin`ny vahoaka ny mahakasika ny tahan`ny vola natokana ho an`ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Mila atsangana ihany koa ny rafitra manokana hikarakara ny fihaonan`ny solombavambahoaka ho lany eo mba hampitovy ny tadin-dokanga eo amin`ny asam-pampandrosoana. Ireo olom-boafidy eo anivon`ny faritra amin`izay fotoana izay dia afaka mandefa solontena aty Antananarivo mba hahafahana mampifandraika ny politika nasionaly amin`ny zava-misy eny ifotony. Ny olana eto amintsika ihany koa dia ny fizaran`ny fahefana ka mila apetraka mazava ao anaty lalàmpanorenana, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.