Raha ny lalàmpanorenana no resahina, dia ny kaominina, ny faritra ary ny faritany, hoy ny Loholona Olivier Rakotovazaha.
Ny fokontany kosa dia tsy anisany. Raha amin’izay lafiny izay dia ilaina ny famadihana ny fokontany ho lasa vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana satria any no hipetrahan’ny asa rehetra mitondra fampandrosoana ho an’ny vahoaka mivantana ary manakaiky kokoa ny vahoaka ny fanjakana rehefa lasa vondrona hitsinjaram-pahefana ny fokontany, raha ny fanehoan-keviny. Zavatra manahirana amin’izao fotoana ao anatin’ny fifidianana ny fandrafetana lisi-pifidianana, ka tokony ho zavatra vita any amin’ny fokontany izany satria any no tena mahalala ny mponina toy ny maty nalevina, ny olona feno 18 taona, ny mifindra monina,… izay zavatra hita eo amin’ny fokontany, hoy hatrany ity loholona ity. Ny fandrafetana ny lisi-pifidianana ohatr’izay no tena miteraka filaminana sy mangarahara eo amin’ny fifidianana sy ny fifandimbiasan-toerana eto amintsika. Raha ny tokony ho izy dia tsy manaraka ny lalàmpanorenana ny fifidianana filoham-pokontany. Raha tiana ny hifidy azy dia tsy maintsy ahitsy ao anaty lalàmpanorenana, ka ampidirina ho vondrom-bahoaka, ary misy andininy mila ampifanarahana hifanitsy amin’izany. Efa hevitra nokononkononin’ny fitondrana io mba hanamorana ny kajikajy politikany. Amin’izao ve no tokony hanaovana izany ? Miara-manaiky ve ny rehetra raha hatao tokoa ? Ny fifampidinihana sy ny fifandresen-dahatra no zava-dehibe raha te hahita fahombiazana sy mba hisorohana ny fifanenjehana sy ny fifanoheran-kevitra, indrindra ny tsy fifampatokisana lava.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.