Politique

Vondrom-bahoaka Hofehezin’ny didim-panjakana vaovao


  • Talata 13 Desambra 2016

Ny taona 1999 no nivoaka voalohany ny didim-panjakana momba ny fikambanan’ireo vondrom-bahoaka eto Madagasikara.

Tena tranainy tsy mifanaraka amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena intsony izy io ka ilaina ny fanavaozana sy fanatsarana izany isika, hoy ny teo anivon’ny minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana. Tsy maintsy nirosoana anefa ny fizaram-baovao sy fampahafantarana ireo pitsopitsony rehetra mikasika ny lalàna, ny resaka ara-toekarena na koa ny sehatry ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny. Voakasika voalohany amin’izany ireo Ben’ny tanàna izay nandroso ireo tolokevitra samihafa nandritra ny atrikasa fanangonan-kevitra teny amin’ny DLC (Development Learning Center) Anosy ny faran’ny herinandro teo hanomezana ainga vao ity tontolon’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ity. Teboka tokony hitondrana fanitsiana lehibe ohatra ireo fepetra fizakan-tenan’ny kaominina. Toy izany koa ny fampivoarana ilay sata nanjaka tokana hatramin’izay dia ny EPA (Etablissement Public Administratif). Hojerena ihany koa ny fampivondronana ireo kaominina ao anatin’ny Distrika manana tombontsoa iombonana. Dingana manaraka hizorana moa ny lafiny teknika dia ny fandrafetana io volavolana didim-panjakana vaovao hifehy ny vondrom-bahoaka eto amin’ny firenena io.

Ramano F.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT