Nidona tamin’ny rindrina ilay volavolan-dalàna momba ny faritra ara-toekarena manokana na Zone Economique Spéciale (ZES) mahafatifaty ny fitondrana HVM satria dia tsy lany teo anivon’ny antenimieram-pirenena omaly. Solombavambahoaka 46 no nitsipaka raha 40 nanaiky.
Miverina any amin’ny governemanta indray izany aloha io volavolan-dalàna io asiam-panitsiana na ovana tanteraka, dia ho hita eo ny tohiny na hanaovana fivoriana tsy ara-potoana hafa na miandry amin’ny fivoriana ara-potoana amin’ny volana mey. Efa nolavin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana tamin’ny alalan’ny didy navoakany ny 17 janoary 2018 lasa teo ity lalàna momba ny ZES ity. Andininy 4 izay mahakasika mivantana ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana no nahitsy tamin’izy ity dia ny mahakasika ny ampaham-bola omena ny kaominina, ny fomba fifidianana ny ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina, ny fifandaminana eo amin’ireo vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ary ny famaritana ny ireo kaominina sy fokontany. Malalaka kokoa ny lalàna mifehy ny ZES ka hahazoan’ireo orinasa miasa ao anatiny tombontsoa ambony kokoa noho ny orinasa hafa rehetra. ZES telo no kasaina apetraka eto Madagasikara dia ny ao Moramanga mahakasika ny lamba sy ny zaitra, any Tolagnaro sy Antsiranana momba ny resaka fizahantany. Ny firenena vahiny tahaka an’i Sina sy Maorisy moa no anisan’ny efa noresahan’ny fitondrana HVM mba hiditra amin’ny tetikasa ZES eto Madagasikara.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.