Politique

Volavolan-dalŕna momba ny famotsoran-keloka Ireo tsara ho fantatra momba azy


  • Zoma 24 Febroary 2012

Mety tsy ho vita amin’ny faran’ity volana ity, mifanandrify amin’ilay datin’ny 29 febroary fe-potoana nomen’ny SADC antsika ny fampiharana ny famotsoran-keloka.

 Ny azo antoka kosa dia tsy maintsy ho tonga eny amin’ny parlemanta amin’ity volana ity ihany ilay voavolan-dalàna, ary dia hisy indray izany ny fampiantsoana fivoriana tsy ara-potoana fahefatra. Efa niakatra teo amin’ny filankevitry ny governemanta ity resaka famotsoran-keloka ity, ka misy ihany ny tsara ho fantatra ao anatin’izany. Raha eo amin’ny lohateniny aloha dia misoratra fa famotsoran-keloka hitondra ho any amin’ny fampihavanam-pirenena izy ity. Ao amin’ny andininy voalohany dia voalaza fa ny zava-nitranga, na fandikan-dalàna mifandraika tamin’ny savorovoro politika teo anelanelan’ny 01 janoary 2002 ka hatramin’ny 31 desambra 2009 no hampiharana ny famotsoran-keloka.

Voakasik’izany avokoa ny mpanao politika sy mpitondra fanjakana na tompon’andraikitra tamina fitantanana teto amin’ny firenena, ny olom-pirenena sivily sy miaramila. Voalazan’ny andininy faha-4 fa ny famotsoran-keloka dia mamafa ihany koa ireo sazy arak’asa nihatra tamina olona iray, saingy kosa tsy voatery hamerina azy amin’ny toerany (asany) teo aloha, raha toa ka voaroaka izy. Ao amin’ny toko faha III, andininy faha-5 kosa dia milaza ireo heloka na fandikan-dalàna tsy mahazo famotsoran-keloka, anisan’izany ny famonoana olona, ny fisamborana olona tsy araka ny lalàna sy ny fihazonana tsy ara-drariny ny olona nosamborina na nalaina an-keriny. Tsy mahazo famotsoran-keloka ihany koa ny fampijaliana sy famonoana ara-batana sy ny fanolanana. Heloka sy fandikan-dalàna hita ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana malagasy avokoa moa ireo notanisaina teo ireo. Tsara homarihana fa madio taratasy avy hatrany eo anivon’ny fitsarana ny olona iray nahazo famotsoran-keloka ka afaka mandray anjara amin’ny fiainana ara-politika sy milatsaka hofidiana ary tsy azo n’iza na iza atao intsony ny mamerina na mampiditra indray, anatina antontan-taratasin’ady any amin’ny polisy na eny amin’ny fitsarana, ny heloka efa nahazoan’olona ilay famotsoran-keloka ka efa voafafa.

Voalaza moa fa fepetra mba hamafana sy hanadinoana ny zava-nitranga tany aloha, tao anatina savorovoro politika ny famotsoran-keloka, mba hametrahana ny fitoniana sy hahafahana miroso amin’ny fampihavanana. Mety ho mangidy ho an’ny hafa ary tsy eken’ny sain’ny olona sasany, araka izany, izy io kanefa dingana tsy maintsy lalovana aoriana korontana mba hahafahana miroso. Sarotra io resaka famotsoran-keloka io ary tena mila fandinihana lalina, mba tena hampilamina tokoa fa tsy sanatria hanakorontana indray.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT