Sambany nampiantso mpanao gazety niaraka nampitana vaovao nivantana omaly, teny Tsimbazaza, ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena notarihan’ny filohany, Rakotomamonjy Jean Max......
3 tapitrisa ariary
Nisongadina tao anatin’izany, ohatra, ny famaliany fanontaniana vitsivitsy napetraky ny mpanao gazety, toy ny resaka karaman’ireo depiote, izay nambarany fa azo ambara amin’ny besinimaro tokoa araka ny nambaran’ny filoha Rajaonarimampianina mba hisian’ny mangarahara eto amin’ny firenena. Amiko aloha, hoy ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, dia tsy tombontsoa no tokony ho filaza azy io fa enti-manana hoentin’ny depiote manatanteraka ny asany. Ary dia nambarany fa 3 tapitrisa ariary izany ankehitriny ny karama fa ny tambiny hafa dia mba misy tsiambaratelo ihany tsy filaza ampahibemaso. Ny resa-bola eo anivon’ny Antenimieram-pirenena hitoeran’ny fimenomenoman’ny solombavambahoaka maro hoe tsy mbola nandray ny karamany feno dia olom-pirenena niaina tao anaty fahasahiranam-pirenena ny depiote ka tsy maintsy miaina anaty krizy koa. Nambaran’ny filohany fa olom-boafidy manana ny hasiny ary hitokisan’ny vahoaka nifidy azy izany depiote izany, nilokaloka hanatsara ny fiainam-bahoaka sy ny fari-piainany ka zony ny mitaky ny fitaovana hanatanterahana izany fa hitaky vokatra aminy ny vahoaka atsy ho atsy.
Tsy matahotra Bianco
Ao anatin’ny mangarahara tanteraka ny fitantanam-bola eto ary hezahina hahitsy tanteraka izany. Misy ny “inspecteur d’Etat” ary azo antsoina koa ny Bianco raha ilaina. Izaho Rakotomamonjy manokana nanomboka tamin’ny taona 1985 nitantanako asam-panjakana samihafa dia sahiko ny milaza fa madio ny tanako. Ny amin’ny volavolam-panitsiana ny tetibolam-panjakana hoenti-miasa dia nambaran’Atoa Jean Max, fa tsy mbola tonga eny amin-dry zareo izany fa mbola mety misy fepetra sasantsasany tsy feno angamba ka amin’ny 12 jolay araka ny nambaran’ny governemanta no ho tonga ety Tsimbazaza izany aorian’ny fiafaran’ny fivoriana ara-potoana voalohany ny zoma izao dia andeha hanao tatitra kely any amin’ny misy azy ireo solombavambahoaka dia miverina miatrika ny fivoriana tsy ara-potoana handinika an’io volavolan-dalam-panitsiana tetibola io. Nitatitra ny diany tany Frantsa araka ny fanasana azony nanatrika ny andron’i Madagasikara tao amin’ny Unesco koa moa tamin’ity famitam-baovao tamin’ny mpanao gazety ity ny filohan’ny Antenimieram-pirenena izay nisongadinan’ny fihaonany tamin’ireo tompon’andraikitra iraisam-pirenena marobe hatramin’ireo fikambanana parlemantera maro tany Frantsa tany sy ny fitsidihana ny “Chaîne parlementaire” izay fandaharana Televiziona hifampizaran’ny senat frantsay sy antenimiera frantsay ny praogramany avy ho fampanatonana ny vahoaka sy ny parlemanta. Tany am-boalohany moa dia notsiahivin’Atoa Rakotomamonjy Jean Max ny zava-nisy tamin’ny fananganana ny birao maharitra vaovaon’ny Antenimieram-pirenena misy an-dry zareo ity. Antenimiera hitoeran’ny maro an’isa 110 ka hatramin’ny 120 miray hina sy miara-dia ary miray feo tanteraka ao an-dapa ao. Tsy marina ny voalaza an-gazety eto an-toerana sy ny voalazan’ny France 24 tany ampita tamin’ny 26 jona fa hoe tsy nisy lalàna nolaniana izany tamin’ity fivoriana ara-potoana ity. Diso izany fa nahatratra 5 ny tolo-dalàna nolanianay teto ka ny 3 tamin’ireo dia efa eny am-pelatanan’ny governemanta havadika ho volavolan-dalàna. Nisy volavolan-dalàna maromaro nolaniana koa tety. Tao ny mikasika ny sakafo sy fiainam-bahoaka, ny resaka fanaovan-dalana any Soanierana Ivongo mampitohy an’i Mananara Avaratra, ny mikasika ny heloka bevava iraisam-pirenena, ny resaka fitantanana tan-dalàna, ny manodidina zon’olombelona ary ny zava-mahadomelina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.