Misamboaravoara ny raharaha mahakasika ny fampiasana ilay vola 200 tapitrisa Ariary avy amin’ny fitondram-panjakana ho an’ny Distrika hisahanana asa fampandrosoana ifotony eny anivon’ny kaominina tantanin’ny CLD na Komity fampandrosoana ifotony.
Tsy manaraka kalitao ny nanamboarana ireo tetezana tao amin’ny kaominina Ampitatsimo sy Atsangasanga ka nilaza ny tsy hanaiky izany ny Ben’ny tanàna sy ny Loholona Day Rabeony. Anisan’ny homen’izy ireo tsiny ny mpitantana ny CLD dia ny solombavambahoaka voafidy tany Ambatondrazaka. Vao nandre an’izany ny solombavambahoaka Andriamasimanana Auréline dia namory mpanao gazety ny harivan’ny alatsinainy 9 janoary teo ary nanakiana ny fihetsiky ny Loholona sy ny Ben’ny tanàna izay nambarany fa manosi-potaka ny mpiara-miasa amin-dramatoa depiote. Raha ny zava-misy hatreto dia tsy mifanaraka amin’ny tentim-bidiny ny kalitaon’ny asa vita. Ho tonga hatraiza ary ity tsy fifanarahana eo amin’ny samy mpitondra any Alaotra ity ? Ny ampitso no hamaritra izay.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.