Very hevitra tanteraka ireo mpiasa rehetra nisahana ny fifidianana ho an’ny Distrikan’Antsirabe voalohany sy Betafo fa dia nanjavona tanteraka ny tambin-karaman’izy ireo hatramin’izao.
Raha ny fanazavana azo tamin’ireo « Agent Electoraux », anisan’ny tsy mbola nahazo izany tao Antsirabe voalohany dia tokony ho ilay ampahany faharoa io tsy mbola azo io, izay tsy nambarany moa ny fitambarany. Ny nahagaga azy ireo dia vao nahita ny lahatsoratra izay tamin’ny gazety ny tompon’andraikitra sasany tany amin’ny Distrika hafa dia nivoaka ny volany saingy ireto distrika roa voalaza ireto dia hatramin’izao toa tsy nisy mpiraharaha ny tambin-karamany.Raha ny fantatra ihany moa dia tafiditra amin’ireto
tsy nahazo vola ireto ny sefo fokontany sy ny solontenan’ny CENIT eny anivon’ny boriborin-tany ankoatra ireo mpanaramaso ny fifidianana na agent Electoraux izany. Ny fanadihadiana natao tamina tompon’andraikitra iray no nahafantarana fa olana amin’ny filohan’ny CED ity tantara ity satria rehefa misy ny vola alefan’ny foiben’ny CENIT, hono, dia tokony hazava ny tatitra namoahana izany vola izany arahina fanamarinana. Io fanamarinana ny nampiasana ny vola io no toa tsy feno hatramin’izao ka antony tsy amoahan’ny foibe vola intsony raha tsy mazava aloha ny tatitra teo aloha. Tombanan’ireo mpiasa ho tsy nazava, araka izany, ny nampiasana ny vola ka sakana ho an’ny tambinkaraman’izy ireo izany. Raha izany tokoa no marina dia mety misy zavatra tsy nangarahara ny nampiasana ny vola matoa tsy hita ny fanamarinana izay nampiasana azy ka dia miandry ny famoronana ny piesy izay vao mety hivoaka ny vola ambiny, izay efa nampanantenaina ireo tompony fa hivoaka alohan’ny fetim-pirenena, hono. Fitantanana hafa kely koa izany !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.