Politique

Volabe azo amin'ny kidnapping Hanaovana propagandy ?


  • Sabotsy 11 Febroary 2017

Sesilany ny fakana an-keriny na fanaovana kidnapping eto amintsika amin'izao fotoana izao, ary lasibatra ireo teratany vahiny mpanefoefo eto Madagasikara.

 Mandeha ny feo fa misy ambadika politika izany, ka ny hahazoana volabe hoenti-mihetsika mandritra ny propagandy amin'ny fifidianana filoham-pirenena ho avy izao no tanjona. Voalaza ihany koa fa misy mpitandro ny filaminana ao ambadik'ireny fakana an-keriny ireny, ka izy ireo no mamatsy ara-pitaovana mba hahamora ny asa ratsy. Efa tena politika maloto mihitsy no ao ambadiky ny fakana an-keriny sesilany eto amin'ny firenena, ka ireo teratany karana, izay malaza ho tompon'ny vola sy ny harena no tena lasibatra. Misy amin'izy ireo ihany koa no mifampiraharaha amin'ny mpanao politika eto amintsika, mba hahamora ny aferany, hany ka manjaka ny resaka famotsiam-bola. Tsy afera tsotsotra, araka izany, ity resaka fakana an-keriny ity, fa efa tena zavatra avo lenta sy mifamatotra amin'ny tontolo politika eto amin'ny firenena. Tsy atao mahagaga raha vao mainka niha nahazo vahana ny tahan'ny resaka famotsiam-bola eto amintsika, araka ny tatitra farany navoakan'ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Samifin ny fiandohan'ity herinandro ity. Nitombo koa ny kolikoly. Mazàna dia ireo irakiraka mpanao ny "mission" no tratra ka aseho an-gazety na maty voatifitra fa ireo tena atidoha tsy mety fantatra. Tsy tokony hatao mahagaga raha mbola tena malaina hampiasa vola be eto amintsika ny olona satria maloto ny tontolo politika eto ary tena maro ny jiolahy manao politika.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT