Isaky ny misy zavatra hatao, toy ny fandaniana volavolan-dalàna lehibe iankinan’ny aim-pirenena eny amin’ny antenimiera Tsimbazaza, dia tsy miala ao ny resaka fanambazana ara-bola.
Niparitaka indray ny resaka momba ny fizarana volabe hanambazana azy ireo handany ny volavolan-dalàna fehizoro mikasika ny fifidianana, ka 7 ka hatramin’ny 10 tapitrisa ariary isaky ny depiote izany raha ny resaka niparitaka. Nialoha izany dia voalaza fa nisy ny hafatra miafina na “SMS” voarain’ny depiote sasany mba ho tonga teny Mahazoarivo hivory sy handray ny vola sandan’ny fandaniana ny lalàm-pifidianana feno kajy maloto ara-politika. Raha ny resaka niely hatrany, depiote 69 no voalaza fa tonga teny an-toerana, ka ny 65 nandray vola, 4 tsy nandray. Toa efa feno fanantenana fatratra ny praiminisitra ny alatsinainy lasa teo fa tokony holaniana ao haingana ny lalàna mifehy ny fifidianana satria misy tetiandro tsy maintsy henjehina, toy ny fanajana ny voafaritry ny lalàmpanorenana momba ny fiantsoana ny mpifidy. Nisaodisaody teny Tsimbazaza ny mpikamban’ny governemanta maromaro omaly. Nandeha ny resaka fa nitombo hatrany ny vola tambiny avy amin’ny fanjakana HVM ho sandan’ny fandaniana ny lalàna. Voalaza fa efa tafakatra 30 tapitrisa ariary raha ny resaka niely. Nisy rahateo ny fiantsoana ireo depiote sasantsasany teny amin’ny sisintsisiny teny. Tetsy an-kilan’izay, nanizingizina ny depiote mpanohana ny fitondrana HVM Erafa Bresson fa tsy nandray vola izany izy ireo ary tsy voavidim-bola fa tena fitiavana no mibaiko azy ireo amin’ny asany sy hanohanany ny filoha Rajaonarimampianina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.