Politique

Vola avy amin’ny FMI Mahatoky tena ny fanjakana Malagasy


  • Alakamisy 18 Febroary 2016

Madiva hifarana ny fe-potoana enim-bolana karazana ala nenina nomen’ny Tahirimbola iraisam-pirenena ho an’ny governemanta Malagasy nametrahana programa lasitra.

 

 Fandaharanasa tsotsotra izy io fanatanterahana ireo politika miaraka amin’ny fanamafisana ireo fanavaozana ara-pitantanana takian’ny fifanarahana vaovao ao anatin’ilay antsoina hoe «Facilité de Crédit Elargie». Famatsiam-bola 42,1 tapitrisa avy amin’ilay «Facilité de Crédit Rapide» hatreto ny nomen’ny FMI an’i Madagasikara taorian’ny fankatoavan’ny filankevi-pitantanan’ity mpamatsy vola ity tamin’ny 18 jona 2014. Natao hanampiana ny fanjakana Malagasy amin’ireo filàna maika toy ny lafiny fampifandanjana ny vola mivoaka sy miditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana io bolongambola io. Hitsidika eto amintsika indray moa ny iraky ny Tahirimbola iraisam-pirenena amin’ny volana martsa 2016. Aorian’izay vao afaka hisitraka na tsia ny FEC mitentina 80 tapitrisa dolara isan-taona mandritra ny 3 taona i Madagasikara izay miankina betsaka amin’ny fahafaham-pon’ny mpitantana ny FMI tamin’ny fanatontosan’ny mpitondra Malagasy ireo fepetra napetrany. Goavana indrindra amin’izany ny fampidiram-bola anatin’ny firenena sy ny fifehezana ny fandaniam-bolam-bahoaka. Mahatoky tena amin’ny ezaka notontosaina kosa moa ny fitondrana Malagasy, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Vola sy ny Fitantanam-bola Rakotoarimanana Gervais.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT