Politique

Vola amin’ny propagandy Aleo hotantanin’ny CENI …


  • Alatsinainy 04 Septambra 2017

Tsy hitovy na oviana raha ny fahitan’ny avy eo anivon’ny fikambanana Za’Gasy sahy mandroso azy ny hery hananan’ireo

 

 kandidà handray anjara amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2018 sy izay fifidianana ho avy rehetra eo raha tsy ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI mihitsy no mitantana ny volan’ireo kandidà. Ho sarotra, hoy Ratiharison Navandahy Jean filohan’ny fikambanana ny hanara-maso ny fandanian’ireo kandidà na hoferana aza rehefa tsy mirotsaka ao amin’ny kitapom-bolan’ny CENI ny vola tokony holanian’ireo kandidà. Firenena mahantra isika, hoy izy, ary lojika raha ho lany foana izay manam-bola na dia tsy manan-kevitra sy manambina loatra aza rehefa ny fomba fanao hatrizay na ny mitovitovy amin’izany ihany no hatao. Aleo hampitoviana ny azon’ny rehetra laniana ary harotsak’ireo kandidà ao amin’ny kitapom-bolan’ny CENI mba haraha-maso tsara ka hahafahana manasazy izay mandany mihoatra.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT