Politique

Vokatry ny NOTAM Kikisan'ny krizy ny andrim-panjakana


  • Alarobia 25 Janoary 2012

andrim-panjakana Naely tamin'ny filazam-baovao nanomboka ny alatsinainy teo fa tsy dia miteraka olana firy amin'ny asan'ny parlemantan'ny tetezamita ny tsy fanatrehan'ny CT sy CST avy amin'ny ankolafy Ravalomanana ny fivoriana eny Tsimbazaza sy Anosikely.

 Tratra foana mantsy, hono, ny «quorum», na fetr'isa farafahakeliny tsy maintsy henjehina raha hivory sy hanapa-kevitra, na dia tsy tonga mivory aza ireo olon'ny ankolafy Ravalomanana ireo. Tratra tokoa io fetr'isa io satria maro an'isa ny ankolafy Rajoelina sy ny zanaka ankolafy Rajoelina, ary ireo vondrona sy antoko politika mitovy firehana amin'ny filohan'ny tetezamita. Ny olana amin'ity resaka ity anefa, ary mety tsy tonga tao an-tsain'ireo mpanao politika tsy mahalala afa-tsy ny isan'izay mivory, dia ny hoe : hiverina eny amin'ny parlemanta indray izany ny fanapahan-kevitr'ankolafy tokana, izay mifanohitra tanteraka amin'ny voalazan'ny tondrozotra, efa nivadika ho lalàna manan-kery eto Madagasikara.

Toa adinon'ireo mpanao politika manohana ny filohan'ny tetezamita fa fiaraha-mitantana no atao eto. Marimaritra iraisana ny fanapahan-kevitra rehetra fa tsy misy an'izany hoe : ataonay io rehefa tsy eo ianareo ! Maro ankehitriny no mieritreritra fa tokony haato aloha ny fandaniana lalàna eny amin'ny Parlemanta, mandra-piverin'ireo ankolafy sasany, mba hialana amin'ny savorovoro sy adihevitra lavareny any aoriana. Izany rehetra izany no voka-dratsin'ny fanapahan-kevitr'olon-tokana namoaka NOTAM ny sabotsy lasa teo. Ny andrim-panjakana mihitsy izao no kikisan'ny krizy, ny mpitondra ambony tsy mitovy tadin-dokanga, ireo mpanao politika tia tena. Tsy mba mandinika sy mieritreritra kely akory fa dia maika handany lalàna eny amin'ny parlemanta, araka izay mahamety azy ireo.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT