Politique

Vokatry ny hambom-po politika Potehina ny renivohitra sy ny vahoakany


  • Sabotsy 27 Janoary 2018

Tsy takona afenina ny tombo sy hala eo amin’ny fanampiana sy ny tosika ara-pampandrosoana atao amin’ny kaominina an-drenivohitra eto Madagasikara.

 Ezahina hasongadina sy hanaovana izay mety ny ben’ny tanàna an-tanàn-dehibe iray antoko na mitovy firehana amin’ny fanjakana HVM. Atao fahiranao sy hatsangana ho fahavalo kosa izay tsy ao anatin’izay lasitra izay, toy ny eto Antananarivo sy Toamasina. Tsy nomena ny vola voasoritry ny lalàna fa tokony homena an’Antananarivo. Tsy navela hikitika ny resaka fanamboaran-dalana ny CUA, kanefa ny kaominina ihany no omen-tsiny sy alaina baraka avy eo. Ny fanjakana tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny rano sy ny angovo no nanala ny SAMVA teo ambany fitantanan’ny CUA. Tsy nahavita ny asa tokony hosahanina amin’ny fanadiovana ny SAMVA, saingy ny mpitantana ao anatin’ny Kaominina Antananarivo no lotoina sy dradradradraina ho tsy mahavita ny adidiny, indrindra tamin’ilay resaka filaharana eran-tany navoakan’ny gazety boky Forbes fa tanàn-dehibe faha-3 maloto indrindra manerana an’izao tontolo izao i Madagasikara. Potika sy rava ny lalàna, maloto sy maimbo ny tanàna noho ny gafy sy ny teritery nateraky ny hambom-po politika. Tsy fifanilihana andraikitra fa toa efa nomanina sy nokotrehina ny famotehana an’Antananarivo hanosorom-potaka ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Hamoronana atsanga tsy aman’orana, ka mandeha hatrany ny fikononkononana fanonganana, fanosoram-potaka ho mangala-bola. Tsy nivaona firy tamin’izay ny natao tamin’ny kaominina an-drenivohitr’i Toamasina, izay efa tonga tamin’ny resaka fanoloana PDS an’i Elysé Ratsiraka, saingy tsy tanteraka. Lany andro mikotrika fanonganana ben’ny tanàna ny filankevitra monisipaly sasany, ka adino ny resaka asa fampandrosoana. Ny ben’ny tanàna ihany koa teo an-daniny sasatry ny mitady fiarovan-tena, ary efa niseho tany Toamasina hatramin’ny resaka fampiasana « gros bras » noho izay resaka fiarovan-tena izay. Mazava ho azy fa fotoana tokony hiasana lany fotsiny any amin’ny fifampigafiana. Mahafaly sy mahafinaritra ve ny migafy sy manao antsojay hoenti-manamaimbo sy manamainty ny hafa ? Tsy ny ben’ny tanàna anefa no tena lasibatra fa ny tanàn-dehibe manontolo sy ny vahoaka no toa ampitondraina ny mafaitra noho ny kajy maloto tsotr’izao hoenti-mamotika olona iray. Hambom-po diso no enti-manao fahirano ny vahoaka an-tapitrisany. Mahamenatra sy mahonena ! 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT