Mifamatotra ny fampandrosoana sy ny voka-pikarohana, hoy ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo Mamy Ravelomanana nandritra ny famaranana ny hetsika fampirantiana fikarohana,
Salon de Recherche au service de l’Economie et de l’Emploi (SREE). Manamarika ireo firenena manankarena ny fananany olona mpikaroka maro sy ireo voka-pikarohana betsaka ary hita miantraika amin’ny toekareny mihitsy izany. Nilaza ihany koa ity mpahay toejarena ity fa misy fifandraisany mazava ary mifampiankina tanteraka ny fampandrosoana ny firenena sy ny fampianarana ambony arahin’ireo voka-pikarohana maro. Tsy mahatafarina ny toekaren’i Madagasikara ny tsy fandrosoan’ny sehatra fampianarana ambony, indrindra ny sehatra fikarohana ary tokony hatao matetika ny hetsika tahaka itony hoy izy . Ny fampianarana ambony sy ny voka-pikarohana dia mitodika tanteraka amin’ny fanatrehana ny fanatontoloana sy ny fifaninanana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Dieny mbola zaza dia tokony ho mafy be ny fampirisihana sy ny fitaizana mahakasika ny famoronana ataon’ny ray aman-dreny na ny mpampianatra hiteraka tombony amin’ny fampandrosoana ny firenena. Nanambara ihany koa ny filohan’ny Anjerimanontolo fa mbola ambany ny tetibolam-panjakana natokana ho amin’ny sehatra fikarohana eto Madagasikara izay zara raha manome 3%.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.