Politique

Voka-pifidianana loholona Tsy hanaiky koa ny UNMDH


  • Alakamisy 07 Janoary 2016

Taorian’ny antoko TIM sy ny MAPAR izay nitambatra naneho ny tsy fanekeny ny voka-pifidianana loholona farany teo dia nivoaka tamin’ny fahanginana ihany koa ny fikambanana miaro ny zon’olombelona UNMDH tarihin’ny filoha nasionaliny Rafolisisoa Hanitriniala.

 

 Nambaran’ity farany tamin’izany fa rariny loatra raha mitambatra ny antoko pôlitika satria betsaka loatra ireo karazana kolikoly, fampitahorana sy fanaovana ramatahora ireo mpifidy vaventy nanerana ny faritra 22 nandritra iny fifidianana loholona farany teo iny, raha tokony ho safidy sy hatao anaty demokraisia ny fifidianana. Ho an’ny fikambanana tarihiny manokana dia nambarany fa tena marobe tokoa ny fitarainana voarain’izy ireo ka tsy maintsy mitsangana ny UNMDH  hiaro  ny zon’ ireo mpifidy vaventy ireo. Tsy tokony hiaro anarana antoko ny fanjakana manoloana izany hoy izy fa hijery ny zon’ny olombelona kosa raha tena mijoro ho Ray aman-dReny marina. Tonga naneho ny alahelo tamin’izany Andriamatoa Tsabotokay, filohan’ny fikambanan’ny mpanolotsaina kaominaly any amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany. Nambaran’ity farany tamin’izany fa tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambila no tena nahitana io trangana kolikoly sy fanaovana ramatahora ny mpifidy vaventy io. Tsy mbola vita akory ny fifidianana hoy izy dia natao ny fanisam-bato. Tsy navela hiatrika izany delegen’ny antoko pôlitika hafa rehetra  ary raha vantany vao nivoaka ny vokatra dia lany 100 % ny kandida natolotry ny antoko HVM. Tsy azo ekena izany hoy izy ireo ary tsy hanaiky hatramin’ny farany izahay. Nambaran-dRafolisisoa Hanitriniala moa fa nafotaka ihany koa ny fizaram-bola nataon’ireo tompon’andraikitra tao Manakara taloha sy nandritra ny andron’ny fifidianana ka nisy mihitsy aza ny fizarana izany teny an-dalam-be.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT