Ahiana hafana indray ny toe-draharaha ao Toliara. Nivondrona mantsy ireo kandidà 10 tsy lany tamin’ny fifidianana loholona ny 29 desambra teo hanohitra ny voka-pifidianana noho ny fahatsapan’izy ireo ny tsy fanarahan-dalàna hita mibaribary nandritra iny fifidianana senatorialy iny
. Raha ny fanazavan’ny firaisankinan’ny vondron’ny kandidà tsy lany nanao valandresaka tamin’ny mpanao gazety, dia nahitana marika A,V,//,C,R,D,/,= avokoa ny vato rehetra, raha toa ka X sy lavotondro no voarakitra ao amin’ny lalàna momba ny fifidianana, ao amin’ny andininy faha-104 sy 105. Marihina fa niteraka ny savorovoro tamin’ny androm-pifidianana nandritry ny antsasakadiny ity toe-javatra ity amin’ny tokony haha vato maty sy tsy manankery ny vato azon’ny HVM fa saingy noterena ho manan-kery izany. Miangavy ny Ceni sy ny fitsarana ireto firaisankinan’ny vondron’ny kandidà ireto mba handray andraikitra ary hampihatra ny lalàna amin’ny maha tany tan-dalàna an’i Madagasikara. “ Tsy fifidianana no nisy teto fa fanitsakitsahana ny demokrasia satria samy nahitana marika toy ireny avokoa ny birao fandantsaham-bato taty amin’ny tapany atsimo ny Nosy “, hoy ireto vondron’ny kandidà. Nanao antso avo any amin’ny filoham-pirenena izy ireo amin’ny maha Raiamandrenin’ny firenena an’ity farany mba hanafay ireo olon’ny HVM izay tompon’andraikitra nampanao ireny hosoka ireny fa manaratsy endrika ny fitondrana misy amin’izao, ary mba hiverenan’ny fitokisan’ny vahoaka ihany koa. Nanamafy moa Atoa Tsiebo Mahaleo, lohalisitry ny MAPR, fa “ nisy ny fividianana mpifidy vaventy tao amin’ny distrikan’i Sakaraha. Nanoloana ny hala-bato, kolikoly ary tsy fanarahan-dalàna nisy tamin’iny fifidianana loholona iny, dia nilaza ireto vondron’ny kandidà tsy lany fa hametraka fitoriana eny amin’ny fitsarana. Tsiahivina fa lasan’ny HVM avokoa ny toerana senatera fito any amin’ny faritanin’i Toliara teo aloha.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.