Nizotra tamim-pilaminana sy tamim-pitoniana ny latsa-bato notanterahana tamin’ny zoma 25 oktobra 2013 lasa teo, araka ny tatitra vonjimaika navoakan’ny Vovonana Iombonan’ny Fiarahamonim-pirenena eto Madagasikara sy ny Fikambanan’ny Tanora Mandala ny Fahamarinana omaly teny Tsiadana.
Nanana mpanaramaso 30 moa izy ireo izay niparitaka tamin’ny faritra maro. Na izany aza dia nanamafy ny fisian’ny lesoka isan-karazany nandritra ny androm-pifidianana izy ireo. Ankoatra ny tsy fahatomombanana teo amin’ny lisi-pifidianana sy kara-pifidianana dia maro tamin’ireo mambran’ny biraom-pifidianana no tsy nahafehy ny andraikiny no sady tsy ampy isa. Teo ohatra ny tsy fahampian’ny mpanisa vato, ny fisian’ny biletà tokana efa naforitra mialoha izay nozaraina tamin’ny mpifidy ary “ny fitondràna ireo vata natory tany an-trano ka ny maraina vao naterina noho ny tahotra handeha alina”, hoy ireo tompon’andraikitra. Mbola manao fanadihadiana lalina kokoa sy ireo lesoka hafa hatramin’izao ireto vovonanana ireto izay nilaza fa araka ny lanjan’ny lesoka no ahafantarana ny fiatraikany amin’ny fifidianana. Soso-kevitr’ireto fikambanana roa izay nandray anjara tamin’ny fanabeazana ny olom-pirenena sy ny fanaraha-maso ny fifidianana ireto, hoy ny filohan’ny FTMF Ramiarondrabe Hajason, ny fijerena ny mikasika ny fiavian’ny volan’ireo kandida, ny fanitsiana ny lalàna mikasika ny lisi-pifidianana mba tsy hahavery zo ny mpifidy, ny fanamafisana ny fiofanan’ireo rantsamangaikan’ny CENI-T sy ireo mpikambana ao amin’ny birao fandatsaham-bato manerana ny Nosy, ny fanentanana eny ifotony ny fampiasana ny bileta tokana, ny fitadiavan’ny CENI-T vahaolana hiarovana sy hamoahana haingana ny voka-pifidianana, ny fanajana ny voalazan’ny lalàna mifehy ny fifidianana, ny fanamorana ny fahazoana ny tatitry ny fifidianana eny anivon’ny ambaratonga rehetra, ny fanentanana amin’ny fampandraisana andraikitra ny olom-pirenena ary ny fanamafisana ny fampielezam-baovaom-pifidianana eny ifotony.
Yves sy Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.