Nifanaraka ihany ny mpanao politika ka samy nanasonia ilay sori-dalana voahitsy. Nifanome toky izy ireo fa hanatanteraka izay voasoratra aorian’ny fifandaminana matotra. Mbola misy ihany anefa ireo fandikana samihafa ny sori-dalana ka mety hanahirana ny fampiharana azy miaraka. Mba manana ny heviny ihany koa ny olon-tsotra manoloana izany.
Tahiana, 33 taona : «Tena tsara rehefa hita ny marimaritra iraisana. Na izany aza, misy mampatahotraa ihany satria tsy dia midika inona ny sonia vita, fa ny fampiharana azy no tena henjana. Tsy azoko antoka fa efa niova fomba fisainana izany ny mpanao politika Malagasy. Mbola maro ireo tia vola sy tia seza ka izay no mety hampikatso ny raharaha. Fa eo ihany koa ireo tsy te hizara tsotra izao fa hitondra hatramin’ny farany ny baolina».
Andry, 40 taona : «Mahavelom-bolo iny fanaovan-tsonia iny, saingy amiko dia mbola mila mihaona ireo filohan’ny Ankolafy 4, mifanaraka tsara, izay vao manankery ny fifanarahana dia atsangana amin’izay ireo rafitra rehetra. Ireo filoha 4 mihitsy no tokony hiresaka mivantana fa tsy ny solontenany izany, amin’izay izy ireo tena tompon’andraikitra feno amin’ny zavatra nekeny sy nosoniaviny ka tsy afaka ny hanao teny roa intsony».
Nirina, 25 taona : «Amiko dia fanapotehana ny tolona tamin’ny 2009 iny fanaovan-tsonia iny. Tsy mbola tokony hiverina eto Ravalomanana satria nampijaly ny Malagasy. Tena mahagaga ahy ny naneken’ny filoha Andry Rajoelina fifanarahana tahaka ireny. Hahazo toerana indray izany izao ireo mpitondra teo aloha efa naloan’ny vahoaka !».
Felana, 30 taona : «Hanaiky ihany moa koa niandry roa taona. Mazava ny resaka e ! Tsy maintsy mody eto ny filoha Marc Ravalomanana. Amiko dia tena afa-baraka ny FAT satria niseho ho be vava loatra. Izay amiko no zava-dehibe indrindra ary manamarina ny nolazain’ny Legalista hatramin’izay fa fanonganam-panjakana no nisy teto. Tsy mahavita tena irery ny FAT fa tsy maintsy miara-miasa amin’ny ankolafy hafa».
Antsa, 45 taona : «Izaho dia mahita fa efa miketrika andinin-dalàna hanamelohana sy hanagadrana avy hatrany an’i Marc Ravalomanana ny FAT. Tsy maty voalavo an-kibo ireo ary tsy mena-mivadika. Mody avelany miditra eto ny filoha teo aloha dia ilàny vaniny amin’izany dia hovizaniny amin’ny raharaham-pitsarana maro be, hany ka tsy hanam-potoana hanaovana politika intsony. Ny ankamaroan’ireo olon’ny FAT anie dia tena mankahala an’i Marc Ravalomanana amin’ny maha olombelona azy mihitsy fa tsy hoe amin’ny naha filoha teo aloha azy e ! Eo koa ireo be fialonana sy nitsiriritra ny fananany dia efa niaraha-nahita ihany moa fa naka tsy niera ny fananan’i Dada izy ireo».
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.