Politique

Voan’ny tsindry bokotra Niaka-pofona i Voninahitsy


  • Alarobia 23 Mey 2012

Sarotiny amin’ny fiarovana ireo tomponandraikitra notendrena amin’ny anarany ny vondrona politika Les AS. Niaka-pofona mihitsy omaly i Voninahitsy Jean Eugčne manoloana ny fihetsiky ny minisitra sasany ao amin’ny governemanta izay mihevi-tena ho minisitra ambonin’ny minisitra ka manao antsojay ny hafa.

 Ny minisitry ny Atitany izay natolotry ny Les AS indrindra no iharan’izany ka tsy manaiky mora foana ny filohany. Ny fampiantoana indray ny fametrahana amin’ny toerany ny PDS ao Mahajanga, Ndeha Sylvain, no fototry ny olana. Efa namoaka didim-pitondra momba ny fanendrena ity mpitantana vaovao ny Kaominina Mahajanga ity ny ministeran’ny atitany ary efa tonga tany an-toerana ny ekipan’ny Les AS hametraka azy tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny herinandro lasa. Nofoanana tamin’ny fotoana farany anefa izany satria misy minisitra manao lavatanana nilaza fa tsy eken’ny filohan’ny tetezamita io PDS io. “Midika ho fampitanjahana anay Les AS sy faminganana ny minisitray ireny ka tsy ekenay na ilay mihevi-tena ho minisiçtra ambonin’ny minisitra no manao azy na koa avy amin’ny fiadidiana ny praiminisitra na ny FAT koa aza”, hoy i Voninahitsy Jean Eugène. Tsy hihemotra anefa ny Les As eo anatrehan’izany fa hiara-hirohotra hanotrona ny minisitry ny atitany hametraka io PDS-n’ny Mahajanga io any an-toerana amin’ny zoma izao. Hiara-hientana amin’izy ireo koa ireo Parlemantera avy any Boeny raha ny fanazavany ihany.

Mihevitra moa ity vondrona ity izay nanatanteraka fivoriana omaly fa tokony hasiam-panitsiana ny tondrozotra ka ampidirina amin’izany ny tsy fahazoana manala minisitra raha tsy ifampierana ary koa ekena ny maha masimandidy ny minisitra amin’ny fanapahan-kevitra raisiny. Voatsindro-paingotra koa ny fahefana mpanatanteraka izay miandry ny ranom-bary efa alohalika vao mihetsika. Nambaran’i Voninahitsy mantsy fa ankoatra ireo sendika isan-karazany dia efa ela koa no nimenomenona ny “sous-officier” sy ny “officier” ao amin’ny Tafika fa tsy misy mpihaino. Notondroiny ho tomponandraikitra mivantana amin’ny tsy fandehanan-draharaha eto amin’izao fotoana ny minisitry ny foloalindahy sy ny ny minisitry ny tetibola. “Misabaka io minisitry ny foloalindahy io satria Cemgam tamin’ny fitondran-dRavalomanana ny tenany raha ny minisitry ny tetibola kosa no tsy mety manome ny fitakian’ny vahoaka. Na izahay ao amin’ny Kongresy aza efa nimenomenona noho ny ataony”, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Les AS hatrany. Manolotra sosokevitra ny filohan’ny FAT hamaranana ny fiaraha-miasa amin’ireo olona tsy mahomby ireo ny tenany noho izany izay nilaza fa “raha olona telo na efatra no manimba ny raharaha eto dia soloy fa tsy lany olomanga i Madagasikara”. Nahazo ny anjarany koa anefa ny filohan’ny FAT sy ny Praiminisitra izay tokony hifandefitra, hoy izy, fa tsy hifankatahotra.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT