Politique

Voan地y tifitra ankitsirano Lavo i Njaka, maherifon段 Dada


  • Alatsinainy 23 Janoary 2012

溺aso solon地y maso, nify solon地y nify�, hoy ny filelalelan段 Etienne Andriamahefarisoa, mpitarika ao amin地y AV7, nanoloana ny haino aman-jery sy mpanao gazety ny alakamisy 19 janoary 2012 manoloana ny fiverenan段 Dada.

 Lavo tokoa Rabemiarana Njaka Lalaina. Olona tomady ara-batana sy ambony moraly no nivoaka ny tranony tetsy Ambondrona ny marainan’ny sabotsy 21 janoary 2012, nandeha ankitsim-po hitsena ny filoha Marc Ravalomanana teny Ivato, niaraka tamin’ireo vahoaka ana hetsiny maro avy amin’ny lafivalon’ny Nosy. Herisetra feno habibiana anefa no sandan’izay, hafanampony izay, ary namoizany aina mihitsy ny alin’io ihany. An-dalana hamonjy fodiana ry Njaka, ary nanao andiany izy ireo, no narahina tifitra marindrano tamin’ny vongana baomba lakrimôzena miendrika tioba avy aorina rehefa noteren’ny Emmo-Reg hiparitaka izy ireo. Teo amin’ny ila loha havia manakaiky ny fihirifana no niantefa ilay tioba.

Niezaka namonjy elakela-trano ry Njaka, saingy tsy lasa lavitra dia nitolefika. Nanodidina ny tamin’ny enina ora sy sasany ny andro. Niezaka nanavotra azy ireo niara-dia taminy. I Njaka rahateo, mbola afaka nilaza ny nanjo azy. Niezaka nanakana fiara izy ireo saingy tsy nisy nijanona. Dia an-tongotra hatreny Ambohimanarina vao nahita fiara, afaka nitondra azy tamina dokotera tsy miankina teny Ankadifotsy nefa tsy nety nandray io farany. Nentina nihazo ny Clinique an-dry masera eny Ankadifotsy nefa tsy nandray koa ny tao raha ny fitantaran’ny rahalahiny. Izay vao nentina namonjy ny HJRA.

Voaray tao tokoa ary natao ny fitsaboana maika fanao saingy tsy nahatana ny ainy izany rehefa nisasaka ny alina. 45 taona Rabemiarana Njaka Lalaina, izao nodimandy izao. Namela mananontena sy kamboty mianadahy, lahikely 11 sy vavikely 8 taona izy. Nentina eny amin’ny reniny eny Itaosy ny razana taorian’ny “autopsie”. Ankoatra azy dia tovolahy iray, Randrianantenaina Thierry, 25 taona, no voan’ny vongana baomba lakrimôzena teo amin’ny lohany, mitovy amin’i Njaka. Ny ila loha havanana ny an’i Thierry no voa, izay nitarika fivontosana. Teny Mamory Ivato no nahavoa azy. Mbola tsaboina ao amin’ny sampandraharaha “neuro-chirurgie” izy io. Mipetraka aman’olona eny Alarobia eny izy ary omaly alahady maraina no tonga tao amin’ny HJRA. Araka ny fanazavan’ny Pr Razafimahandry Henri Jean Claude, talen’ny HJRA, tamin’ny mpanao gazety dia «traumatisme cranien» no nahavoa ireto olona ireto.
Tonga nitsapa alahelo sy nampahery ny fianakavian’ny maty sy nizaha ny maratra teny amin’ny HJRA ny delegasiona avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana omaly.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin窶冓ty sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT