Manahy amin’ny fisiana tanjona hafa amin’ity raharaha ity ny fianakavian’ilay lehilahy nosamborin’ny DST tao amina hotely iray ao Moramanga.
Nomarihin’izy ireo mantsy fa basim-borona fitondra mihaza ireo basy tratra tao amin’izy ireo ary manana taratasy mazava tsara avokoa afa-tsy ny roa ihany. Ny iray tamin’ireo roa ireo dia basin’ny havan’izy ireo tsy eto an-toerana dia napetraka fotsiny. Ilay faharoa tsy misy taratasy kosa dia basy azon’ny rehetra vidiana fitifirana vorona. Teny amin’ny mpivarotra iray etsy Analakely no nividianan’izy ireo izany araka ny fantatra ary balan’io basy io ireo be dia be izay nalain’ny DST ireo. Isan’ny navoitran’ireo fianakavian’ilay voarohirohy ihany koa fa izy ireo aza mpanohana ny FAT amin’izao ka mahagaga ihany raha izy ireo no hiketrika hamono an’i Andry Rajoelina. Tsy vitan’izay fa basim-borona ve dia entina miady amin’ny basin’ireo mpiambina ity filohan’ny FAT ity hoy ihany izy ireo. Mitaky ny hamoahana ny havany mbola tazonin’ny DST anaovana fanadihadiana ity fianakaviana ity.
Mahavariana ihany koa fa rehefa misy ny fanasoniavana fifanarahana eo amin’ny mpanao politika dia voalaza fa misy mifofo ny ain’ny filohan’ny FAT hatrany.
Mohamed sy Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.