Ny 17 aogositra 2017 no hita niseho vahoaka farany teny Andralanitra ary niparitaka tamin’ny fampahalalam-baovao Ramatoa Voahangy Rajaonarimampianina. Ny fotoan-tsarotra mahazo ny Malagasy, toy ny vanim-potoanan’ny aretin-doza pesta ankehitriny no tena hilana ny vadin’ny filoham-pirenena amin’ny maha reny voalohan’ny Malagasy azy kanefa dia tsy re sy tsy tazana izy.
Tsy hita popoka kosa i Voahangy Rajaonarimampianina, ary toa tsy mba taitra amin’izany kanefa efa ho 2 volana izao no nisian’ny pesta ary marobe ny maty sy ny marary. Ilain’ny Malagasy izany reny voalohany izany amin’ny fampaherezana azy na dia fitsidihana fotsiny aza, saingy tsy mendrika amin’ny toeran’ny vadin’ny filohantsika angamba ny mifanerasera amin’ny olona mararin’ny pesta. Omaly vao nisy ny iraka nalefa teny amin’ny hopitalin’i Befelatanana sy Ambohimiandra nanolotra fitaovana toy ny fanindronana, fanafody “cotrimoxazole”, fanakonana loha ... Afa-baraka tanteraka anefa ny vadin’ny Filoha nanaovan’ny olona azy ao anaty tambajotra sosialy omaly. Voalaza fa hay fanafody sy fitaovan’ny OMS izay vao nomena ny fanjakana Malagasy ilay natolotr’i Voahangy Rajaonarimampianina tamin’ny anarany. Izy izay hoe nanolotra kosa tsy mba niseho masoandro fa olona no nirahina. Matahotra ny hitakosona amin’ny olona mararin’ny pesta angamba ? Nireharahan’ny fanjakana mihitsy anefa ny nanangana teo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika ny sampandraharaha momba ny asa sosialy na ny “Direction des Affaires Sociales”, izay voalaza fa ny vadin’ny filoha mihitsy no antony nananganana azy io mba hahafahany manao asa sosialy sy manampy ny vahoaka. Mazava ho azy fa misy ny vola hatontona ao amin’io departemanta nantsangana io, ary mety hifanitsaka amin’ny asa tokony hataon’ny minisitera sy ny sampandraharaham-panjakana hafa mihitsy, tahaka ny minisiteran’ny mponina, ohatra. Tsy misy anefa ny zava-bita ary raha misy, dia matetika propagandy no atao fa tsy asa sosialy. Ary ny tena mampiahiahy aza dia sao lahy ka ireo fanampiana azon’ny firenena Malagasy avy amin’ireo mpiara-miasa avy any ivelany no hararaotina ka lazaina fa asa soa ataon’ny vadin’ny filoham-pirenena sy ny mpiara-miasa aminy etsy sy eroa ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.