Mivoaka ny vaovao ankehitriny fa efa tsy mahatombina eto Madagasikara intsony ny vadin’ny filoham-pirenena, ka aleony mandeha sy mivoaka matetika any ivelany nanomboka ny volana jolay teo.
Tsy hay na fifanandrifian-javatra fa anisan’ny niteraka resabe ilay akanjo lafo vidy mitentina 25 tapitrisa Ariary eo ho eo, nianjaikany nandritra ny fankalazana fetim-pirenena tamin’ny 26 jona. Nahazoany kiana be tamin’ny vahoaka iny toe-javatra iny ka nampalaza ilay anarana hoe “raoby mananasy”. Taty aoriana dia re fa efa tsy mipetraka eto an-tanindrazana intsony izy, fa efa niorim-ponenana any ivelany mihitsy, ka mandalo fotsiny ihany sisa no ataony eto Madagasikara, ka fampianaran-janaka no re fa maharepotra azy any ivelany any. Samy manana ny tiany ny tsirairay ary fiainana manokana izany saingy ny manitikitika ny maro dia ny hoe : iza no miantoka ny fandaniana ? Ny fanjakana Malagasy sa iza ? Anisan’ny miteraka fahatezeram-bahoaka eto amin’ny firenena mantsy ny mahita ny mpitondra miliba sy manao izay danin’ny kibony, kanefa ny maro an’isa ireo efa tena mitrongy vao homana ara-bakiteny.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.