Afak’omaly sabotsy 18 jona nandritra ny fitokanana ny tranon’ny Tahirim-bolam-panjakana vaovao ao Antsirabe vao tazana niseho vahoaka tamin’ny fomba ofisialy sy nipoitra tampoka indray Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina.
Tsiahivina ihany fa ny 10 sy 11 mey nandritra ny fitsidihan’ny sekeretera jeneralin’ny firenena mikambana Ban Ki Moon sy Ramatoa vadiny no tazana farany teo anilan’ny filoham-pirenena izy. Nalefa mialoha ny kabariny tamin’ny fetin’ny reny ny faramparan’ny volana mey, taorian’io, tsy nisy fanazavana ofisialy fa siosion-dresaka no nandrenesana hoe lasa any ivelany indray Ramatoa vadin’ny filoha. Nigadona ny volana jona, iny fa tazana mandeha irery ihany i Hery Rajaonarimampianina na teto an-toerana nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny iray volan’ny teny Malagasy teny amin’ny Akademia Malagasy - Tsimbazaza izany na nandritra ny fivoahany nanatrika ny fihaonana iraisam-pirenena momba ny maha olona tany Istanbul-Torkia ny 23 sy 24 mey. Nandeha irery tsy nombam-bady ihany koa ny filoha raha nitsidika nandritra ny 3 andro an’i Singapour mialohan’io dia ny 17 ka hatramin’ny 19 mey. Ny tena nanaitra ny rehetra aza moa dia tsy hita popoka nankahery mivantana ireo ray aman-dreny namoy ny zanany noho ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana ankizy mpianatra maromaro teny Andranovelona ny faran’ny volana aprily Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina. Tsy misy ny fampitam-baovao ofisialy mazava na dia fantatra tsara aza fa manana mpiara-miasa maro ny vadin’ny filoham-pirenena izay karamaina avy amin’ny volam-bahoaka. Ny hany fantatra dia matetika mandeha any ampitan-dranomasina izy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.