Maro no nahatsikaritra fa mandimandina ery ny endrik’i Voahangy Rajaonarimampianina ny zoma 6 janoary lasa teo nandritra ny lanonana fifampiarahabana teny Iavoloha.
Tao aza no vaky vava mihitsy ka nilaza fa toa niha tanora ny 1ère dame. Tsotra manara-tena ny akanjo nanaovany, namoaka tsara ny bika aman’endriny. Andro vitsy tato aoriana no nisy ny feo nivoaka fa toa hoe nandany vola be tany ivelany ka nanamboatra orona na nanao irony antsoina hoe Rhinoplastie i Voahangy Rajaonarimampianina. Rehefa nampitahaina tokoa ny sariny 2 taona lasa sy ny sariny tamin’ny zoma lasa teo dia mampieritreritra ihany satria tena niova marina ny endriny, tsy resaka niha nahia fotsiny fa tahaka ireny endrika mpilalao sarimihetsika avy any ivelany ireny mihitsy, raha ny fahitana azy. Io loharanom-baovao io ihany no nandrenesana fa vola be tokoa satria efa mananiky ny 1 miliara ariary no hoe nikarakaran-dRamatoa Voahangy ny orony sy ny tavany tany ivelany tany. Samy manana ny dokotera mahay momba io fandidiana manatsara tarehy sy vatana io avokoa moa na any eoropa na any Etazonia, ary any no tena falehan’ireo olo-malaza sy mpanefoefo maneran-tany. Olom-bitsy ihany no afaka misitraka ny fanamboarana tarehy avo lenta toy izao, ary anisan’ny nalaza ilay mpanakanto Amerikanina Michael Jackson, izay efa nodimandry. Tsiambaratelo amin’ny Malagasy moa hatreto ny momba ny hoe fahasalamana na fomba fiainan’ny mpitondra ambony eto, fa ny fantatra sy hita maso fotsiny dia tena miaina tahaka ny mpanjaka ny ankamaroan’izy ireo ka tahaka ny mandeha taksibe ny mandeha fiaramanidina mankany ivelany izany, ary efa maro no Malagasy malaza fa manankarena be any ivelany any, manao zavatra any ivelany any, mividy trano any ivelany any, ary tato ho ato izay dia matetika voatonontonona amina zavatra tahaka izany ny vadin’ny filoham-pirenena. Nangingina izany ny momba ilay akanjo misy sarina mananasy mitentim-bidy 7000 Euro nianjaikan’ny vadin’ny filoha tamin’ny 26 jona 2016, fa ity resaka fanamboarana tarehy ity indray no mety ho lasa resabe.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.