Politique

Voahangy Rajaonarimampianina Manana olana manokana amin’ny FJKM ?


  • Alatsinainy 21 Aogositra 2017

Samy nahatsikaritra ny rehetra fa nandeha irery tsy nombam-bady indray ny filoham-pirenena tany Antsiranana nanomboka ny sabotsy lasa teo, satria tsy niaraka taminy Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina vadiny.

  Araka ny fantatra dia ny alakamisy 17 aogositra no nandao an’i Madagasikara mba ho any ampita izy rehefa avy nitsidika ny Akamasoa an’ny Mompera Pedro, izy izay efa mampiaiky volana ny olona amin’ity fandehanana any ivelany ity. Tsy hidirana ny fiainan-tokantranon’ny filoham-pirenena mivady saingy somary manitikitika ny saina ihany ho an’ny mpanara-baovao ny hoe : fa isaky ny misy fotoan-dehibe an’ny FJKM ve dia tsy manatrika foana Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina ? Ny 15 janoary 2017 mantsy nandritra ny fanompoam-pivavahana manetrketrika teny amin’ny Coliseum Antsonjombe nitrotroana am-bavaka ny filohan’ny FJKM vaovao ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi dia efa tsy tazana teny Rtoa Voahangy R. Efa nanomana baiboly ho an’ny filoham-pirenena mivady moa ny FJKM tamin’io koa dia nomena ny filoham-pirenena izy ireo ary nahazo ny hafatra izay tamin’izay fotoana izay hoe omeo ny vady andefimandrinao ny anjara baiboliny. Ny alahady 20 aogositra teo indray, fanompoam-pivavahana lehibe tany Antsiranana nanombohana ny fanamarihana ny jobily faha 50 taonan’ny FJKM, dia tsy tazana tao an-kianja ihany koa Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina. Tena fifanandrifian-javatra fotsiny ve sa misy antony manokana no tsy nanatrehany io fotoan-dehibe io ?


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT