Politique

Voahangy Rajaonarimampianina Hosamborina ihany koa ?


  • Zoma 15 Febroary 2019

Niely ny resaka tany anaty tambajotran-tserasera omaly fa hosamborina i Voahangy Rajaonarimampianina, izay re fa tsy eto an-tanindrazana ka hamoahana didy fampisamborana iraisam-pirenena.

 

 Tsy voamarina ny fisian’io hatreto, saingy tsy azo tsinontsinoavina ny fivoahany na marina na tsia manoloana ny toe-draharaha mafampana amin’izao. Mifamahofaho tanteraka rahateo ny toe-draharaha sy ity resaka ankisambotsambotra ataon’ny fanjakana Rajoelina ity. Mihorohoro ireo olona niara-dia tao anatin’ny fanjakana Rajaonarimampianina satria mandeha be ny resaka fa hitohy ny fisamborana ireo olon’ny HVM na tao anaty fanjakana mety hisy rohy na azo ampifandraisina amin’ny raharaha Mbola Rajaonah na misy vesatra hafa mihitsy hanenjehana azy. Lojika ny mety hahavoatonona ny anaran’ny vadin’ny filoha teo aloha amin’izao raharaha mifamahofaho miampy fanenjehana na fanagadrana izao. Anisan’ny voatonona foana tamina afera samihafa ny tenany ary voaresaka ho tena nanao izay ho afany tamin’ny fanangonan-karena tamin’ny fomba tsy ara-dalàna toy ny fampidirana olona amin’ny fifaninanam-panjakana na fanendrena mpiasam-panjakana ambony ... Tena mitombina sy misy porofo ve anefa  ? Raha ny fahitana azy, nisafidy ny hisintaka an’i Madagasikara izy. Mety efa nanangona izay azo hiomanana amin’ny fotoana tsy hananana fahefana intsony ihany koa ? Izany ve no tsy levon’ny vavonin’ny fanjakana ankehitriny izay tena nifanao sakay sy maso tamin’ny fanjakana teo alohany ? Raikitra izany ny valifaty sy ny fanenjehana samihafa na efa tsy eo amin’ny fitondrana intsony aza. Tamin’ny fanjakana Rajaonarimampianina no nisian’ny fampidirana am-ponja an’i Augustin Andriamananoro, nanenjehana ny Kolonely Lylison … Vao nahazo fitondrana ny filoha  teo aloha dia tratry ny henjika samihafa Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina ary tsy mbola afa-bela hatramin’izao. Mety efa tsinjony ve ny henjika samihafa hahazo azy, indrindra mety ny hanaovan’ny fanjakana Rajoelina hazalambo azy ka naleony nikopak’elatra nialoha ny fotoana ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT