Politique

Voahangy Rajaonarimampianina Ho lasa bebenoely amin’ny fifidianana ?


  • Alakamisy 01 Martsa 2018

Antomotra ny propagandy ary efa nohamafisina tamin’ny alalan’ny volavolan-dalàna misahana ny fifidianana ny fanaraha-maso hentitra ny resaka fampiasam-bolan’ny kandida. Azo antoka fa tsy hisy fanovana firy, toy ny efa fanao mahazatra ny volavolan-dalàna hatolotra.

Rehefa hiditra amin’ny mangarahara isika dia mila mazava ny zava-drehetra fa tsy hoe ny kadidam-panjakana sy ny olona akaiky azy afaka manao izay saim-patany fa ny rehetra kosa hogejaina sy hofehezina. Anisan’ny manampy betsaka sy manatsara endrika ny kandida ny fanohanan’ny vadiny, ka eo no mipetraka ny adihevitra. Loharanom-bola avy aiza ireny vola ampiasain’ny vadin’ny filoha ankehitriny amin’ny asa sosialy ireny ? Mila mazava sy mangarahara satria inoana fa hirarakopana ny fizarana fanampiana etsy sy eroa, izay mety ho zavatra na vola mivantana. Mety ho lasa “bebenoely” mihitsy i Voahangy Rajaonarimampianina amin’ny fifidianana mba hahalany indray ny filoha, hoy ny vazivazin’ny olona. Mafy mantsy izany ho very fihinanana sy ho tapaka bizina izany raha toa ka tsy ho filoha intsony ny filoha ankehitriny. Toeram-panararaotana hanangonan-karena rahateo io, raha jerena amin’ny fihetsiky ny HVM, kanefa tsy mety afa-po fa ny hangorona ihany hangorona hatrany e ! Hatramin’izay ka hatramin’izao dia tsy misy na iviny kely monja aza ny resaka fangaraharan’io ambara fa asa sosialin’ny vadin’ny filoha io, izay nananganana kabinetra eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika mihitsy. Efa noresahina matetika ny momba izany saingy tsy misy hatramin’izao ny fitondrana fanazavana, ka tsy hay intsony na fanadiovam-bola maloto na fanakonana ny afera maizina ny asa sosialy atao. Resaka efa nandeha hatramin’izay fa natao hitavana sy hanodinana ny fanampiana ara-tsosialy isan-karazany avy any ivelany fotsiny io kabinetran’ny vadin’ny filoha io. Matoa tsy mitondra fanazavana sy porofo azo tsapain-tanana momba ireny loharanom-bola sy ny fanampiana ireny dia misy zavatra tsy mazava ao.  Mila ampahafantarina mazava ihany koa ny anjara asan’ny minisiteran’ny mponina eo amin’ny resaka asa sosialy, ny andraikitry ny BNGRC na Biraom-pirenena momba ny fitantanana ny loza voanjanahary, ny iavahan’ireny amin’ny ataon’ny vadin’ny filoha. Mila tatitra mazava sy zavatra mangarahara ny rehetra na inoana aza fa hiparitaka ny miliara maro atsy ho atsy hambaboana ny vahoaka.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT