Taorian’ny fihaonamben’ireo firenena mivondrona ao anatin’ilay komisionina mifanerasera ara-barotra aty amin’ny fari-dranomasin’i afrika atsinanana na COMESA
izay notontosaina teto amintsika ny 10 ka hatramin’ny 19 oktobra teo dia tsy hitahita intsony ny vadin’ny filoham-pirenena, Ramatoa Voahangy Rajaonarimampianina. Adihevitra teraka noho io toe-javatra io ny hoe mety ho noho ilay sary naha diso toerana azy tamin’ity fihaonambe voalaza teo ity no antony nahatonga azy nisitrika sy tsy be fihetsiketsehana aloha. Raha tsiahivina dia niaraka naka ny sary iombonana na « photo de groupe » tamin’ireo filoham-pirenena i Voahangy Rajaonarimampianina izay tena tsy fanao mihitsy eo amin’ny resaka arofenitra iraisam-pirenena. Fantatra moa fa hitarika ny fihaonan’ireo vadina filoham-pirenena frakofonina eny Ivato ny tenany ny sabotsy izao, raha ny fandaharam-potoana.
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.