Lava ny lisitr’ireo mpitondra teo aloha mety hosamborina. Raha ny loharanom-baovao iray, dia miandry ny tena fampiharana izany sisa. Ireo lohandohan’ny
mpisorona tamin’ny fanjakana Rajaonarimampianina no voalaza fa mameno ny lisitra. An-jatony ny ao anaty lisitry ny mety hosamborina raha ny loharanom-baovao iray, ka miandry ny tena fampiharana azy sisa.
Misy vesatra lehibe hanenjehana ny praimisitra teo aloha…
Voaresaka tamin’ny raharaha kolikoly samihafa mombana tsenambaro-panjakana ny minisitry ny atitany sady praiminisitra teo aloha Mahafaly Solonandrasana Olivier. Anisan’ireny ny raharaha Claudine Razaimamonjy. Re siosio tato anatin’ny andro vitsy fa misokatra ny dosie mombana tsenambaro-panjakana tsy nisy antso tolo-bidy (Appel d’Offre) tany Antsiranana II ny taona 2017 ka volabe 1000 000 000Ar no voalaza fa voahodinkodina. Olona 7 no efa natolotra ny PAC (Pôles Anti-Corrumption), ary ben’ny tanàna 5 amina toerana voatondro hanaovana tetikasa no arahin’ny fitsarana maso akaiky. Tompon’andraikitra roa teo anivon’ny primatiora tamin’izany no re fa naiditra am-ponja vonjimaika ny faran’ny febroary teo.
Voahangy R, Henry Rabary Njaka, Anthelme Ramparany,…
Voantonontonona amin’ny raharaha Mbola Rajaonah Ramatoa Voahangy Rajaonarimampianina, izay ambara fa nanao fangoronan-karena tamin’ny tsy rariny ary nijabaka sy nampiasa fahefana tamina afera maro samihafa. Efa nidoboka any am-ponja noho ny raharaha kolikoly misy hidiran’i Claudine Razaimamonjy ihany koa ny minisitry ny vola teo aloha Razafindravonona Jean. Ny minisitra teo aloha Henry Rabary Njaka ihany koa, dia efa nokarohan’ny Bianco noho ny resaka kolikoly tao amin’ny Kraoma sy Air Madagascar, saingy tsy hita. Na i Voahangy Rajaonarimampianina na i Mahafaly Olivier na i Henry Rabary Njaka,… sy minisitra miampy olona ambony sasany fanjakana HVM, dia re siosio fa efa lasa any ivelany ka fomba hahafahana manenjika azy raha tena raikitra ny didy fampisamborana iraisam-pirenena. Misy anefa ny mety mizaka zom-pirenena Frantsay. Ho an’ity firenena ity, dia tsy azo atao ny mandefa ny olony hohenjehina sy hogadraina any amin’ny firenen-kafa. Anarana re siosio koa ny minisitra teo aloha Anthelme Ramparany noho ilay raharaha andramena 60 kaontenera tratra tany Singapour ny fiandohan’ny taona 2014. Rehefa nandeha tany an-toerana izy ny volana desambra 2014 dia nilaza avy any fa ara-dalàna ny fanondranana natao. Nohelohin’ny fitsarana tany Singapour higadra 18 volana sy handoa onitra 50 tapitrisa dolara anefa i Wong Wee Keong tompon’ny orinasa Kong Hoo nanafatra izany ny volana aprily 2017, izay midika fa tsy ara-dalàna ilay izy. Ny 12 febroary teo, dia nidoboka am-ponja ny sekretera manokany antsoina hoe Rakotoarimanana Samboarizafy ka tafiditra ao anatin’ny vesatra ny andramena. Ny Fitsarana ambony (HCJ) irery ihany moa no afaka mampisambotra na mitsara ny raharaha mahakasika minisitra iray rehefa mahazo tsodrano amin’ny antenimieram-pirenena ny fanenjehana. Maro ny lisitra, fa ampahany ihany ireo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.