Faly tamin’ny filatsahan-kofidian’i Lalao Ravalomanana Rakotonirainy ny VMTT na Vondron’ny Malagasy Tia Tanindrazana ary manamafy fa io no kandidan’izy ireo aoka tsy hatosi-bohon-tanana. “Maro izahay vahoaka no miandrandra azy, amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena ho avy izao”, hoy ny VMTT izay manantena ny hisian’ny tena demokrasia eto amin’ny tany sy ny firenena. Mankahery ny FFKM amin’ny adidy mavesatra hiantsorohany eto amin’ny firenena ihany koa ny VMTT, ary manantena ny fiatrehan’ny filoha Marc Ravalomanana ny fampihavanana izay karakarain’ireo filoham-piangonana efa-dahy, hampilamina ny fiainam-bahoaka.
Fikambanana efa niasa hatramin’ny 2002 ny VMTT izay tsy mitsahatra mampahafantatra ny olona fa iray ny Malagasy ka mila mitazona ny fivondronana sy fifankatiavana ho firaisankina izay, mba hanatsarana ny fiainam-pirenena.
Nangonin’i RHR
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.