Politique

VITAL Fampandrosoana “Tokony hampiseho fa tan-dalana ireo kandida”


  • Alatsinainy 13 Mey 2013

Handrotsaka kandida amin’ny fifidianana solombavam-bahoaka ny fikambanana VITAL Fampandrosoana na “Vondro Iraisan’ny TAnora Liana Fampandrosoana” Toamasina.

 Omaly no nanambaran’Atoa Mananjara James Anthonio, filohan’ny fikambanana izany nandritra ny lanonana nokarakarain’izy ireo tao amin’ny trano fanaovam-petin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ao Canada. Efa nandraisan’ny VITAL Fampandrosoana anjara avokoa ireo fifidianam-paritra teo aloha rehetra. Mikasika ny zava-misy ankapobeny eto amin’ny firenena dia nambaran’Atoa Mananjara James Anthonio fa tokony hanana fandavan-tena hanaja lalàna ireo mpitondra sy olom-panjakana nirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena, ka hametra-pilana fa tsy lany andro miady hevitra indray. Mikasika ny fehi-kevitry ny SADC tany Cape Town farany teo miangavy ny tokony hialan’ny kandida telo dia Didier Ratsiraka, Lalao Ravalomanana, ary Andry Rajoelina, indray dia nilaza Atoa Mananjara James Anthonio fa “tsy tokony mitsabaka amin’ny raharaham-pitsarana Malagasy ny SADC ; raha navela nilatsaka ny sasany dia tokony nalalahana ihany koa ny firotsahan’ny hafa. Ny zava-misy anefa dia ireo nanaja lalàna indray no tadiavina ahilika fa ireo tsy manaja izany tiana harovana”. Ankoatra izay dia nanentana ny mpifidy hanamarina ny anarany sy ny mombamomba azy ao anatin’ny lisi-pifidianana ary mba haka kara-panondrom-pirenena ireo tsy manana, ny fikambanana VITAL Fampandrosoana, satria izay no maha-olom-pirenena mpifidy ny olona, hoy izy ireo.

Rakoutou 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT