Politique

VITAL Fampandrosoana “Aleo alamina amin´izay ny raharaham-pirenena !”


  • Talata 29 Novambra 2011

Nasiaka sy naneho ny alahelony ireo tanora isany nitolona mikasika ny fiarovana ny amiraly Ratsiraka hatramin´izay, nitondra ny tenin´izy ireo ny fikambanana VITAL Fampandrosoana nahitana an´Atoa Mananjara James Antonio sy Rakotomalala Philémon.

 Aza atositosika ny tanora ankehitriny, mpanangana ny ho avy nolazain´ny amiraly ny taona 80, hoy izy ireo. Mahatsapa mantsy ireto tanora ireo fa natao anjorom-bala tamin´ny fahatongavan´ny filoha Ratsiraka, satria dia “mibahana ireo goaikantitra ary nailika tanteraka ireo tena namono tena ho an´ny amiraly sy namoy ny asany”, hoy ireto tanora ireto. Na izany aza dia tonga nitsena teny Ivato izy ireo. “Aminay na teo ny olana, dia ray aman-dreny sy olobe Ratsiraka ka nomena haja, izy rahateo tonga hitondra fihavanana sy fitoniana, na ara-politika izany”, hoy ireto tanora ireto.

Nolazain´izy mirahalahy ireto ihany koa fa matoa nisy ny naratra sy ny zavatra simba tao anatin´ny krizy nifandimby, dia nisy ady teto, ka izay no tokony handevenana ny sabatra sy ny salohy araka ny nambaran´ny amiraly azy. Ho zava-poana, hoy izy ireo, ny fandaminana ny raharaham-pirenena raha tsy asiana hasina ny famotsoran-keloka sy ny fampihavanam-pirenena, satria tsy misy tsy diso izany ireo mpanao politika ireo. “Alamino amin´izay ny firenena fa efa tena sempotra ny vahoaka Malagasy amin´ny fahantrana”, hoy hatrany Atoa Mananjara James Antonio sy Rakotomalala Philémon. Nasian´izy mirahalahy resaka ihany koa ny mikasika ny raharahan´ny kaominin´i Toamasina, ka nanambaran´izy ireo fa mila mandray ny andraikiny haingana ny fitondram-panjakana, fa tena efa mitatao ny loza. “Fako sy loto ary fikorontanana ve no mba anjara fiainana omena ny vahoakan´i Toamasina ?”, hoy izy ireo. Tsy maintsy miteny izahay, hoy hatrany Atoa Mananjara James Antonio sy Rakotomalala Philémon, raha misy ny tsy mety hitanay sy ny tsy fandraisana andraikitra ataon’ny fitondrana ho fanasoavana ny vahoaka Malagasy.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT