Tapitra omaly talata 5 febroary ny fotoam-piasan’ireo depiote 151 niasa nandritra ny 5 taona. Maro ny fanehoan-kevitra ary saika niraisan’izy ireo ny ezaka tsy maintsy ho tohizana sy ny korontana niainana teny amin’ny antenimieram-pirenena.
Mamy Aurélien (Depiote Vavatenina)
“ isaorana ny vahoakan’ny Vavatenina tamin’ny fahatokisana ny tenako. Sarotra ny taom-piasana nohon’ny tsy fitovian-kevitra maro be. Tsy maintsy nohenoina ny feon’ny vahoaka ary niadivana ny kolikoly indrindra tamin’ireny resaka malety ireny”
Depiote TIM
“ Nanaraka ny fitsipika sy nanao ny asanay izahay depiote TIM ary tena tsy nitsoaka fa niady mafy hatramin’ny farany na dia mafy ny natrehina. Anisan’ny nanamarika anay ny fitsipahana ny lalàna saika hizarana an’Antananarivo ho distrika 6. Teo ihany koa ny lalam-pifidianana izay nahatonga olana ary indrindra ny ady tamin’ny kolikoly. Ezaka natao no nahatonga ny filoha Ravalomanana tafalatsaka ho fidiana ho filoham-pirenena ary in-2 no nidina teny min’ny kianjan’ny 13 May. Mitaky ny fiovan’ny fomba fiasan’ny CENI sy ny HCC izahay indrindra ny amin’ny fifidianana depiote hatrehina satria handray anjara mavitrika amin’izany”
Mahazoasy Freddie (Antsiranana I)
“Nametrahana ny fiaingana ara-toekarena iny fotoam-piasana iny. 05 taona lasa izay dia tena mbola tanatin’ny sazy i Madagasikara ary nanamarika ny asa natao ny fiverenana tanatin’ny fianakaviana iraisam-pirenena. Anisan’ny namerina ny firenena Malagasy tamin’ny maha-izy azy ity andrim-panjakana ity. Mbola manamafy ny maha-zava-dehibe ny tetikasa Andrakaka any Antsiranana aho izay tena hitarika fampandrosoana makadiry”
Angèle Solange (Depiote Amboasary Atsimo)
« Misaotra an’ Andriamanitra sy ny vahoaka an’Amboasary Atsimo. Mafy ny asan’ny solom-bavam-bahoaka saingy ilaina ny finiavana sy fitiavan-tanindrazana. Noho ny ezaka natao dia milamina Amboasary Atsimo ary nahitana vahaolana ny kere. Mangataka ny tetikasa vatsin’ankohonana hitohy ho fanasoavana ny vahoaka. Mbola hiverina hirotsaka depiote ny tenako.
Henri Charles ( Depiote Moramanga)
«Voavaha ny olana tamin’ny fananan-tany saingy mbola maro ny asa miandry. Mbola mangataka ny tenako hilatsaka ny vahoaka ary tena vonona aho hampandroso an’i Moramanga ho reharehan’i Madagasikara”
Nangonin’i Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.