Efa tena tafiditra tanteraka ao anatin’ny vaninandro fifidianana isika ankehitriny ary efa miandrandra an’izay ny olom-pirenena rehetra, hoy ny KMF-CNOE na ny Komity Mpanara-maso ny Fifidianana.
Aminay dia fotoana izao hamoahana kandida satria mila mivoaka avy amin’ny antoko politika izy ireo. Any anatin’ny antoko dia efa manana ny vinam-piarahamonina volavolainy sy eritreretiny hitantanana ny firenena izy ireo. Ny hampianarinay sy hampirisihinay ny olom-pirenena dia ny hoe aleo isika manaraka tsara hoe mila olona na kandida manana izay vinam-pampandrosoana izay hitondrany sy hitantanany an’i Madagasikara raha lany eo izy. Manao antso avo amin’ny kandida hanome izay vina izay ny KMF-CNOE ampihariny, raha tonga eo amin’ny fitondrana. Eo ihany koa ny mahakasika ny fanovana ny lalàmpanorenana sy ny hanatsarana azy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.