Saika namoaka boky niraketany izay noheverin’izy ireo ho vinany hatrany ireo filoham-pirenena nandalo teto Madagasikara, indrindra, rehefa akaiky fifidianana tahaka izao. Nanana ny « politikan’ny kibo » ny filoha Philibert Tsiranana raha nitondra tamin’ny taona 1958 ka hatramin’ny 1972.
Ao anaty boky mena misy sori-dalana, hoy ny filoha Didier Ratsiraka, raha nivoy ny repoblika sosialista izay navadibadika ho tonga amin’ilay antsoina hoe « politique de l’humaniste écologiste » ny taona 1996. Nanana ny azy koa ny profesora Zafy Albert ary tsaroana ihany koa ny Madagasikara am-perinasan’ny filoha Marc Ravalomanana rava tao anatin’ny 7 taona. Raha ny zava-nisy teo amin’ny tantara no halalinina dia saika loharanon’ireo fipoahana krizy teto amin’ny firenena hatrany anefa izy ireny. Saika maro hatrany ireo mpisehatra politika nipoitra tampoka ary nilaza ho nanohana ireny vina ireny saingy ny nahagaga dia korontana sy fanonganam-panjakana hatrany no tohiny avy eo. Hita izany ohatra ny taona 1972, 1991, 2002 ary 2009. Satria tsy nahazo fahafaham-po tany amin’ireo nilazany ny fanohanany ve ireo mpanao politika efa hatramin’izany dia lasa mpanome vaovao ireo mpifanandrina ? Toa lasa mora amin’ny an-kilany avy eo ny namolavola paikady namotehana ny an-daniny. Raha ny mikasika ireo vina kosa no hiverenana dia saika hevitra nisavoana sy nitondra nofy lalina daholo satria tsy hita izay nahatanterahana azy fa toa santatry ny fitadiavan-tsezan’ireo mpanao politika rehefa akaiky fifidianana tahaka izao hatrany. Anisan’ny nanaitra, ohatra, ny fanambaran’ny filohan’ny fikambanana politika, Asandratro ny tanindrazako, Andrianina Rajoharison, ny fanohanany sahady ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina sy ilay vina IEM ny alahady teo. Hita ho isan’ny vina tsy nahoraka kosa anefa na izany aza ny an’ny antoko ADN, tarihin’ny filohany Edgard Razafindravahy tamin’ny taona 2017 izay nampitondrainy ny anarana hoe “Misia mazava”.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.