Nisaotra ireo filoham-pirenena Malagasy teo aloha sy ny vadin’Itompokolahy Zafy Albert ny filohan’ny komitin’ny fampihavanam-pirenena na CRN, Tabera Randriamanantsoa.
Naneho tamin’izao tontolo izao izy 4 mianadahy fa mbola misy olon’ny fanjakana na “homme d’Etat” eto Madagasikara, hoy ny tenany, raha tonga teny Mahamasina ny sabotsy teo. Maro tamin’ny zava-nitranga anefa no tsy fanao. Administratera sivily aho no miteny fa tsy fanao ny manisy pentina ny sainam-pirenena toy ireny manisy famantarana ny repoblika eny anelanelany ireny. Hita izany izao fa France – Afrique sy ny Total no ao aorian’i Andry Rajoelina. Ny dikan’izay dia ho tanteraka ilay hoe amin’ny taona 2021 sy 2022 dia hisy fitrandrahana solitany goavana mety hahatonga fandranitana adim-poko mihitsy eto raha tsy mitandrina isika. Azo ovana ihany kay ny lalàmpanorenana, hoy hatrany ny tenany. Tsy maintsy hisy io satria amin’ny alalany no ahafahan’ny filoham-pirenena mandrava ny Senat sy ireny hoe hametraka governora miisa 23 sy faritra 23 ireny. Tsy fanao koa, hoy ny tenany ny miteny an’ireny amin’ny kabary. Tsy ao anaty lalàmpanorenana ny hoe ny filoham-pirenena no manendry ny praiminisitra. Be dia be, hoy ny CRN, ny zavatra mbola mila amboarina eto ary tokony hiantso fihaonambem-pirenena i Andry Rajoelina satria tsy hilamina io IEM io raha tsy vita ny fampihavanam-pirenena ary tafatsangana ny firenena Malagasy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.