Politique

Vina IEM Io fa ronono an-tavy, hoy ny Teza


  • Alarobia 30 Janoary 2019

Taona arivo fahatelo isika izao. Taonjato faha 21 saingy mbola maloto ihany ny fitsipi-dalao eto amintsika, hoy ny filohan’ny antoko politika Teza, Jean Louis Rakotoamboa.

 

 

Nokobokobonin’ny marina i Andry Rajoelina dia sahy nilaza an-kitsirano fa na inon-kidona na inon-kihatra dia tsy maintsy ho lany. Anton’izany dia satria mpandika lalàna ny HCC. Tsy manana zo hanao mpanelanelana mihitsy izy kanefa farany teo izay no nataony. Nisy tolo-dalàna tonga dia nokantsanany fotsiny. Ny CENI koa raha jerena, ohatra, dia be ambony fa kely fingotra ary nahatonga tany amin’ny fahafahan-dRajoelina nanao fampielezankevitra nialoha ny fotoana tsy nisy bedy. Izahay izao hatramin’izao dia mbola miandry ny tatitra mikasika fitsirihana ny loharanom-bolan’ireo kandida tamin’ny fifidianana farany teo, hoy hatrany ny Teza. Ny resaka vina IEM Izao, hoy izy, dia io fa hita fa ronono an-tavy. Aiza ny enti-manana hahafahana manova an’i Toamasina ho Miami na hanaovana ilay Tanamasoandro kanefa iaraha-mahita fa mbola famatsiam-bola no iainana eto ? Toy ny tamin’ny tetezamita ihany io. Taiza ilay menaka 1000 ariary ny litatra sy ilay vary 500 ny kapoaka ? Hay izy ity halatra ary nanaitaitra tsy nisy iray volana akory. Dia io koa izao, hoy ity filohan’antoko ity, fa hanaitaitra amin’ny fanamboarana ny Rova sy ilay resaka “tsy mahazo mampiasa Girophar” koa i Andry Rajoelina. Izay nanao asa ratsy teto dia mila tsaraina sy migadra ary avy eo miverina amin’ny fiarahamonina mba tsy ho fampihavanan-jiolahy no atao eto. Mila fanarenana repoblika mihitsy isika aloha. Dinika nasionaly no hanamboarana ny rehetra, hoy ny filoha Jean Louis Rakotoamboa.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT