Maro ireo mpanao politika tafiditra sy mikasa hiditra ao anatin’ny fitondrana Rajoelina. Mety hisy hahita izany ho lojika satria politika ny fitantanana firenena.
Tsikaritra anefa fa be loatra izy ireo raha mitaha amin’ireo sehatra mila fampandrosoana eto amin’ny firenena, indrindra fa ny sosialy sy toekarena. Amin’ny ankapobeny, anisan’ireo tsy resy lahatra amin’ny fomba famindran’izao fitondrana izao ireo avara-pianarana eto amintsika. Tsy resy lahatra koa ireo mpamatsy vola ary raha ny fifanarahana nifanaovan’ireo minisitera tamin’ny mpiara-miombon’antoka tao anatin’izay iray volana izay no jerena dia saika mionona amin’ny hoe « andalana » avokoa ireo dingana. Hanahirana ihany, araka izany, ny fanatanterahana ity vina IEM ity. Tsy voamarina ny filazana fa tsy misy ilana ny fiankinan-doha amin’ireo mpamatsy vola satria vao tamin’ny herinandro no nisy ilay firesahana tamin’ny FMI sy ny BAD. Omaly ihany koa no nandray ny Unicef sy ny OIF ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny kolontsaina. Ny tena zava-misy hatreto dia ny seho ivelany amin’ny “fandraisana an’i Pa” sy “Bebe Anastasia avy any Vavatenina”. Mbola andrasana fatratra kosa ireo fotodrafitrasa sy vahaolana manala ny fahasahiranam-bahoaka.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.