Manomboka ny asa fanorenana ny "Village de la francophonie" hisian’ireo fotodrafitrasa hampiantranoana ireo vahiny handray anjara amin’ny fivoriana an-tampony faha-16-n’ny frankôfônia 2016 etsy Andohatapenaka.
"Village Voara" no hiantsoana azy ity. Hentitra ny tenin’ny Tale jeneralin'ny Seimad, Ratsiferana Oliva fa tsy maintsy vita alohan'ny hahatongavan'ny fivoriana an-tampony ny asa . Raha 500 ny isan’ny olona tokony hiasa eo Andohatapenaka dia atao 1 000 izany, miasa antoandro sy alina mba tsy ho tara ny asa , hoy izy. Hatramin'ny fiandohan'ny martsa no manao ny fototra, hovitaina hatramin'ny faran'ny jolay kosa ny rindrina. Araka ny fanazavan-dRafano mpanao ny maritrano dia fotodrafitrasa efatra lehibe no hitsangana eo Andohatapenaka, dia ny faritra handraisana ny tranohevan'ny frankôfônia, ny toerana hahafahan'ireo vahiny miantsena. Misy tranobe telo ihany koa izay sady hisy hotely no hisy efitrano fandraisam-bahiny. Ankoatra an’ireo ny trano ho an'ireo Filoham-pirenena. Hisy kianja maitso sy ny toerana hahafahan'ny ankizy milalao ihany koa eny an-toerana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.