Hotokanana anio alatsinainy 21 novambra tolakandro ny « Village de la Francophonie » etsy Andohatapenaka, ary dia hisokatra ho azon’ny besimaro tsidihina aorian’izay. Vohitry ny kolontsaina sy taozavatra ny « Village de la Francophonie ».
Hita taratra ao ny mampiavaka ny faritra eto Madagasikara sy ny an’ireo firenena fianakaviambe franôfônia. Maro ny fandaharam-potoana voalahatra ao mandritra ity herinandro hampiantranoan’i Madagasikara ny Frankôfônia ity na mikasika ny kolontsaina io na ny asa tanana. Marihina fa dia manana Ben’ny tanàna manokana ity « Village de la Francophonie » ity, dia i Ntsoa Randriamifidimanana, izay mpandraharaha filohan’ny FIVMPAMA teo aloha, ary tompon’ny vondron’orinasa Pacom manana ny foibeny etsy Andranomena. Fantatra eo amin’ny tontolon’ny fifaninanana hazakazaka fiarakodia ihany koa izy, indrindra amin’ny klioba ASA Tana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.